mercredi, avril 2, 2025
AccueilFaits-DiversKaominin’i Toamasina suburbaine : Hahazo CSB II sy fanasan-damba moderina…

Kaominin’i Toamasina suburbaine : Hahazo CSB II sy fanasan-damba moderina…

Napetraka ny zoma tolakandro teo ny vato fototra ho fanamboarana ny CSB II sy fanasan-damba ao amin’ny fokontany Ambodisaina ho an’ny kaominin’I Toamasina suburbaine ao amin’ny distrikan’I Toamasina II. Matotra ny fiaraha-miasan’ny ben’ny Tanana sy ny kaominina Toamasina suburbaine amin’ny “La Fondation Atlantic Group” misy ilay mpampiasa vola Ivoariana Dossongui, ka hisy ny fanampiana nomen’ity “fondation” ity amin’ny fanamboarana ireo toeram-pitsaboana sy fanasan-damba. 

Haharitra heritaona sy tapany ny asa hatao mandritra izany, satria ngeza ilay CSB II hatsangana ary azo hitsaboana ireto  aretina rehetra afa-tsy ny fandidiana ihany. Hanomboka ny 02 jolay ho avy izao ny fanamboarana ary haharitra hatramin’ny 22 desambra ny taona 2026, izay ny “Fondation” avokoa no hiantoka ireo mpanamboatra ny trano sy ny famatsiana ny fitaovana ary ny fanafidy ao anatiny, ny fanjakana Malagasy kosa miantoka ny mpiasa ny fahasalamana mampihodina ny toeram-pitsaboana. Ny tanjona amin’ny fananganana ity CSB II ao Ambodisaina ity dia mba hahazon’ireo vahoaka fitsaboana manaram-penitra sy hampihenana ny taham-pahafatesana ho an’ny mponina amin’ny tsy fahampian’ny foto-drafitrasa ara-pahasalamana, ary ny hahazon’ny vahoaka foto-drafitrasa ara-pahasalamana amin’ny fahavitan’ilay fanasan-damba moderna. Manana tanjona hanatsara ny foto-drafitrasa ara-pahasalaman’ny mponina eto Madagasikara amin’ny fanamboarana sy fanatsarana ireo CSB II sy fanasan-damba ny “fondation”, ary tsy mikely soroka ao anatin’izany amin’ny famatsiam-bola ataony, tao anatin’ny 15 taona nisiany taty afrika. 

Miara-miasa amin’ny banky “AFG Bank” sy ny orinasa manodina simenitra SCM izy ireo amin’ny fanatontosana izany, mba ahazoana vokatra miabo amin’ny asa rehetra atao. Niatrika izao fametrahana vato fototra izao ny olona manakaja maro avy ao Toamasina II sy avy eo Toamasina I notarihan’ny ben’ny Tanana ny Toamasina suburbaine sy ramatoa vadiny. 

Malala Didier

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici