- Publicité -
mardi, juillet 8, 2025
AccueilFaits-DiversKaominin’i Toamasina sy ny hosoka ara-tany : Mpiasa roa niakatra fitsarana, telo...

Kaominin’i Toamasina sy ny hosoka ara-tany : Mpiasa roa niakatra fitsarana, telo hafa karohina…

Mitohy hatrany ny fiakarana fitsarana ho an’ireo mpiasa sy mpitantana eo anivon’ny kaominina zatra manao kolikoly sy hosoka samihafa ara-tany. Tamin’ity indray mitoraka ity dia tale teo anivon’ny sampan-draharaha iray misahana ny tsena eto Toamasina no isan’ny voampanga, ka izao niakatra fampanoavana, fitsarana ambaratonga voalohany Toamasina, izao. Raha ny zava-misy dia fanindroany namidin’izy ireo tamin’ny taratasy hosoka ilay tany mba hakana vola amin’ilay olona namarotana azy. Vokatr’izany dia nivoaka ny didy savaranonando tamin’ny fitsarana ambaratonga voalohany Toamasina, araka ny fangatahan’ilay mpitory tamin’izao raharaha izao, mba hanaovana raharaham-pihavanana, dia tsy maintsy mahita vola 20 tapitrisa ariary alohan’ny 14 oktobra ireo voarohirohy hanonerana ilay mpitory amin’ny famerenana ny volany efa lasan’ireo olona voampanga ireto. Raha tsy izany dia hiova ho ady heloka tsotra sy fampidirana am-ponja ny raharaha. Nivoaka ihany koa ny didy hafa fa tsy maintsy karohina ireo olona 3 mpiasan’ny kaominina tafiditra tamin’izao raharaha izao. Araka ny fanazavana azo dia resaka tanin’olona iray tao Dépot Analakininina no nahavitan’ireto tambajotra eo anivon’ny mpiasa sy tompon’andraikitra ao amin’ny kaominina ambonivohitra Toamasina ireo fanavana ny anarana sy tompony, azy ka namidin’izy ireo 26 tapitrisa ariary. Efatra andro taorian’ny famarotana ny tany vao nahatsapa ilay mpividy ny tany fa misy tsy mazava ny mombamomba an’ilay tany ka nitaky fanazavana sy famerenam-bola indray ilay mpividy. Taorian’izay dia namidin’izy ireo tamin’olon-kafa indray ilay tany, nefa teo dia nifampiresaka ilay mpividy voalohany sy ilay mpifidy faharoa ka teo no nivoaka avokoa ny tsiambaratelon’ny teti-dratsin’ireto mpiasa sy mpitantanana eo anivon’ny kaominina. Raha ny fanazavana azo dia tsy vao izao no niharan’izany famerenam-bola izany noho ny hosoka fanaony ilay tale eo anivon’ny kaominina, satria efa nisy teo alohan’izao ny famerenam-bola 400.000 ariary nasaina nataony. Ankoatra izany dia tsy sasatra ny mitaky amin’ny ben’ny tanàna ireo mpikamban’ny syndika eo anivon’ny kaominina, ny mba ho fanesorana ireo andian’olona mpanao hosoka sy mpangalatra volam-panjakana ireo eo anivon’ny kaominina. Izay hoy ireto syndika ireto no antony tsy mampisy ny vola eo anivon’ny kaominina amin’ny fanaovana ireo asany, amin’ny fandoavana ny karaman’ireo mpiasa tsy voaloany efa amam-bolana amin’izao.

Malala Didier

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici