- Publicité -
lundi, juillet 7, 2025
AccueilFaits-DiversKaomisaria Analakely : Pôlisy roa nampidirina « violon » ao Tsaralalàna

Kaomisaria Analakely : Pôlisy roa nampidirina « violon » ao Tsaralalàna

Tsy nanaraka ny baiko nomena azy. Izay raha araka ny loharanom-baovao akaiky ny pôlisy no antony nampidirina « violon » ao Tsaralalàna ireo « brigadier de police » roa miasa eo anivon’ny kaomisaria Analakely. Nanomboka ny zoma teo izy ireo no nalefa tao ary mbola tsy nivoaka hatramin’ny omaly raha araka ny vaovao azo hatrany. Hatreto dia fandàvana ny lehibeny no voalaza fa nitarika ity fanapahan-kevitra noraisin’ny komisera lefitry ny boriborintany voalohany ity. Amin’ireo pôlisy sasany kosa anefa dia miendrika jadona loatra ny zava-nitranga. Nirahina hanao « opération pick-pocket», na fisamborana ireo mpangarom-paosy ireo « brigadier » roalahy ka nandà izany satria efa im-betsaka loatra no natao ny hetsika toa izany, raha araka ny loharanom-baovao eo anivon’ny pôlisy hatrany. Noraisina avy hatrany ho fandàvana baiko izany, ary izao niteraka sazy ho azy roa lahy izao. Nisy ny feo niely fa mety hikomy ny polisy eo anivon’io boriborin-tany ity taorian’io zava-nitranga io. Nitarika ny fihetsehan’ny avy ao amin’ny kaomisaria foibe ao Tsaralalàna izay nampanao « rassemblement » ireo pôlisy ny asabotsy maraina teo ary nandamina ny raharaha tamin’ny fitsipika môraly sy fitondran-tena, ny zava-nitranga. Ny firaisan-kinan’ny pôlisy sy ny fepetra mety horaisina vonjimaika mahakasika ity raharaha ity no ambetin-dresaka nandritra izany. Izany anefa dia tsy mbola nitarika tamin’ny famoahana ny « violon » ireo « brigadier » roa aloha. Amin’ny vondrona toa itony dia isan’ny raisina ho fikomiana hatrany matetika ny fiadiana hevitra amin’ny « lehibe ». Izay rahateo no toe-tsaina nampiofanana ny olona eo anivony. Tsy dia misy izany ny sehatra ifanalakozan-kevitra hany ka lasa baiko midina hatrany no isehoan’ny fandaharan’asa. Mety mba nahatsapa izany angamba ireo pôlisy roa ka raha nandroso adihevitra dia… « violon » avy hatrany no niandry azy.

D.R

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici