- Publicité -
lundi, novembre 3, 2025
- Publicité -
AccueilFaits-DiversKaomisarian’ny boriborintany I Tanambao II : Nasiam-panavaozana hanatsarana ny fandraisana ny mpanan-draharaha

Kaomisarian’ny boriborintany I Tanambao II : Nasiam-panavaozana hanatsarana ny fandraisana ny mpanan-draharaha

Samy nanao ezaka tamin’ny fomba fiasany sy ny fiaraha-miasany tamin’ireo mpiara-miombona antoka avokoa ny kaomisaria misy eto Toamasina renivohitra. Isan’ny nanao ny fanavaozana ny birao fiasany entina hanatsarana ny fandraisana ny mpanjifa ny kaomisarian’ny boriborintanin’i Tanambao II. Raha ny fanazavan’ny kaomisera Rakotovao Jean Christian dia fanomezana avy amin’ny mpiara-miombona antoka amin’izy ireo avokoa no nahavita izao fanatsarana sy fanaovazana ny birao fiasan’izy ireo izao, ka nasiam-panatsarana avokoa ny ati-trano sy ny ivelany, ny fiandrasan’ny mpanan-draharaha ny laharany, ary ny fihazonana ireo olon-dratsy sy ireo misy heloka hitorian’ny olona azy. Tsy vitan’ny trano ihany no nasiam-panatsarana, raha ny nambaran’ny kaomisera Ratokovao Jean Christian, fa nahazo ny azy koa ireo polisy mpiandry raharaha amin’ny alalan’ny fakana aina sy fahitalavitra misy “canalsat”. Ankoatra izany, dia ny fampitaovana samy hafa tamin’ny alalan’ny solosaina sy birao samy hafa fiasana. Ny tanjona manaraka, araka ny nambaran’ity kaomisera ity ihany, dia ny fametrahana ny “wifi”, azon’ny mpiasa sy ireo mpanandraharaha ampiasaina. Mbola fiaraha-miasa amin’ny “3P” izao tetikasa izao.

Malala Didier

- Publicité -
Suivez nous
419,278FansJ'aime
14,461SuiveursSuivre
5,417SuiveursSuivre
1,920AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici