Raha ny endrikendrika ety ivelany aloha dia mety tsy azo hihodivirana fa tompon’andraikitra ambony amin’ny sehatrasam-panjakana ny lehilahy. Mainka moa, vao noreseny lahatra fa manana galona « commissaire divisionnaire » (kintana roa) eo anivon’ny pôlisim-pirenena ny tenany dia maro ireo roboka sy nanaiky ny hampiesoniny. Efa maro ihany ireo lasibatra fa voasambotra ingahy « divizionera » ary rehefa natao ny fanadihadiana dia misoloky andraikitra ary tsy manana io laharam-boninahitra io velively ingahy.
Taorian’ireo fitairanana maro azo ny teo anivon’ny pôlisim-pirenana (ilay tena izy), mahakasika ny fisiana « manamboninahitra » eo anivon’izy ireo, voalaza fa mpisoloky dia nanao ny famotorana avy hatrany ireo. Maro tamin’ireo lasibatra mantsy no tsy nahazo fahafaham-po akory na dia efa nandoa vola maromaro ihany aza. Milaza ho manana ny gradina « commissaire divisionnaire » izany olona izany ary milaza ho mahavita « mandamina olana eny anivon’ny pôlisy » sy « mahatafaditra ho mpiasam-panjakana ». Mazava ho azy, maro ireo roboka sy tafiditra ao anaty haratony.
Tsy ela dia nivaly ny famotorana nataon’ireo tompon’andraikitra. Voasambotry ny pôlisy misahana ny heloka bevava sakelika fahefatra tao an-drenivohitry ny faritra Atsinanana tao ny lehilahy iray 44 taona ny herinandro lasa teo. Tamin’ny fotoana nisamborana azy, hoy hatrany ny fampitam-baovaon’ny pôlisy dia mbola nahatratrarana basy poleta … kilalao tany aminy. Ny alatsinainy lasa teo, ingahy « divizionera » sandoka no natolotra teny anivon’ny Fampanoavana ary nadoboka am-ponja vonjimaika eny Tsiafahy, miandry ny fotoam-pitsaràna azy.
m.L