- Publicité -
lundi, décembre 29, 2025
AccueilFaits-DiversKaomisera Ranaivon Alexandre : Nandao ny Sampan-draharahan’ny Seraseran’ny Polisim-pirenena

Kaomisera Ranaivon Alexandre : Nandao ny Sampan-draharahan’ny Seraseran’ny Polisim-pirenena

Manomboka ny alatsinainy izao dia eny amin’ny sampandraharahan’ny  Fanofanana sy Fikarohana eo anivon’ny Polisim-pirenena, eny Antanimora, indray ny kaomisera Ranaivoson Alexandre no hiasa. Nandao ny sampana Seraseran’ny Polim-pirenena izany ity mpiara-miasa nahavita be teo amin’ny fifandraisana tamin’ny mpanao gazety ity. Nandritra izay 20 taona mahery niandraiketany io asa io dia tsy nikely soroka tokoa ny tenany nanome fahafaham-po ireo mpanao gazety tonga mikaro-bavao eo anivivon’ny Polisim-pirenena. Havanana tokoa ny lehilahy raha fifandraisana no resahana. Nanampy betsaka azy  teo amin’io sehatra io ny maha mpikabary azy. Taranja iray izay tena ahalalana azy manokana. Tsy eo anivon’ny polisim-pirenena ihany fa hatrany anivon’ny fiaraha-monina any. Hainy ny nampifandrindra ny fiarahana amin’ireo namana sy ny asa aman-draharaha ka isan’ny  nanamora ny fifaneraserany tamin’ireo mpiara-miasa aminy sy ireo rehetra mangataka raharaha ao aminy izay toetra izay. Antenaina fa tsy hisy tomika amin’izay vitan’ity Kaomisera ity ny hataon’izay hisolo azy.

T.M.

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
419,278FansJ'aime
14,461SuiveursSuivre
5,417SuiveursSuivre
1,920AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici