- Publicité -
samedi, septembre 13, 2025
- Publicité -
AccueilFaits-DiversKaomonina Ampasimbe Onibe Toamasina II : Saron’ny zandary, rangahy iray nangalatra omby

Kaomonina Ampasimbe Onibe Toamasina II : Saron’ny zandary, rangahy iray nangalatra omby

Nitrangana halatra omby tao amin’ny kaominina Ampasimbe Onibe Toamasina faharoa. Raha nahazo antso ny zandarimariam-pirenena tao Mahavelona Foulpointe dia nandray andraikitra avy hatrany mikasika ny raharaha. Nisy ny fanarahan-dia natao mikasika izany niaraka tamin’ny fokonolona, sy ny fametrahana sakana samy hafa mikasika ity halatra omby nitranga ity. Fantatra vokatra izany fa voasambotra tao Mahambo ao amin’ny distrikan’ny Fenerivo Atsinanana ny mpangalatra sy ny omby nangalariny. Niverina tamin’ny tompony ilay omby halatra raha avy nanamarina izany tamin’ny taratasin’omby ireo zandary mpanao fanadiadiana. Miatrika fanadiadiana azy taoriany fahatrarana azy ity ilay tovolahy mpangalatra omby, ka hiatrika fampanoavana mikasika ny halatra nataony, izay ahiana fa hiandry fonja avy hatrany aorian’ny fiakarany fitsarana ity. Nanambara ny zandary taorian’izany fa tsy mandefitra amin’ny resaka halatra omby izy ireo, ka tsy maintsy misambotra sy mikaroka ireo mpangalatra.

Ankoatra izany dia tovovavy iray nitaingina cyclo-pousse teto Toamasina I andeha tany Verrerie raha avy any Mangarano misy ny hopitaly Betania. Raha tonga teo akaikin’ny sekoly les Colobris Ambolomadinika dia nifanena tamin’ny lehilahy iray ary nikasika ilay cyclo-pousse nandehanany. Nihevitra izy fa olona fantany ka nojereny ary nangataka ny finday teny aminy. Tsy nanome anefa izy ka avy hatrany dia sabatra be no navoakany avy eny an-tsikinany sady nokendainy, ka toran-kovitra teo ilay tovovavy. Hitan’ny olona manodidina teo anefa ny tranga niseho, ka nitsambikina avy eny ambony cyclo-pousse ny tenany raha nahita izany ka naratra mafy tamin’ny tara. Soa ihany hoy ilay tovovavy fa nisy nahita ny tenany, fa raha tsy izany sahin’ilay mpangalatra mihitsy ny hamono azy vokatry ny finday teny aminy. Afa-nitsoaka ilay mpangalatra taorian’izany ka tsy voasambotry ny vahoaka nahita izany.

Malala Didier

- Publicité -
Suivez nous
419,278FansJ'aime
14,461SuiveursSuivre
5,417SuiveursSuivre
1,920AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici