Ny alarobia faha-17 febroary teo no voasamabotra ny rangahy iray nisoloky ho kapitenin-tsambo. Tsy vitan’izany fa nilaza izy io fa mivarotra fiara Sprinter sy Golf. Manatona ireo olona hofetsiny izy ary manana sarin’ireo fiara hamidiny ireo. Tamin’ny volana desambra lasa teo, lehilahy iray no resy lahatra amin’ny varotra ataony ary nifanao fotoana taminy teny Ambodifilao. Raikitra ny varotra, hoy ny vaovao, ka sahy nanome hatrany amin’ny 5 tapitrisa ariary ilay hividy natao vodiondrim-barotra. Nifanaraka ny roa tonta fa haloa tsikelikely ny ambiny. Raha vao nahazo an’io vola io anefa ilay mpisoloky dia tsy hita intsony izay nisy azy. Ny alarobia teo, hitan’ilay voasoloky teny Soarana ny anao lahy. Nampandre haingana ny polisy avy ao Tsaralalana izy. Nosamborina ary nohadiahadiana ity nitonona ho tantsambo ity. Omaly alakamsiy no natolotra ny Fampanoavana izy.
r.s.