« Nisy tokoa ilay fifandonana tamin’ny malaso, nihatra tamin’ireo zandary sy dahalo niova fo, tao Andranomena, Tsivory, niseho ny alarobia lasa teo, saingy, tsy voa tamin’io ny Kapiteny Faneva. Salama tsara ny lehilahy ary tsy misy atahorana ny ainy », hoy ny Jeneraly Rakotoarison Anthony, Talen’ny fikarohana sy fampitam-baovao eo anivon’ny zandarimariam-pirenena. Na dia teo tokoa aza ny savorovoro pôlitika mitranga amin’izao fotoana, isan’ny nanaitra ny sain’ny mpanara-baovao rehetra ity iray tamin’ireo fifanjevon’ny dahalo sy ny zandary tany Atsimo ity. Ny antony, ilay voalaza fa mpampandry tany malaza any amin’iny tapany Atsimo iny no voa tao anatiny. Fampitam-baovao avy any an-toerana no nilaza fa saika handresy lahatra ireo dahalo, izay nitoby tao amina kizo iray tao Andranomena, ity Kômandàn’ny kômpanian’i Tôlagnaro, niaraka tamina zandary valo ary ireo dahalo niova fo aman-jatony maro. Fantatr’ireo rehetra any an-toerana anefa fa isan’ireo kizo tsy nety rava sy fieren’ireo dahalo ity toerana ity. Noho io toerana io sarotra azo izay dia efa nandrasan’iretsy fahavalo fotsiny izy rehetra. Nirefodrefotra ny basy. Nambara tamin’izany fa nahatratra teo amin’ny 30 teo ireo dahalo niova fo namoy ny ainy ary zandary roa kosa no maty, efatra tsy hita popoka ary naratra mafy i Kapiteny « Tsy mitsitsy ». Hatreto anefa, raha ny fampitam-baovao ofisialy avy amin’ny zandarimariam-pirenena dia telo amin’ireo « niova fo » no fantatra fa lavon’ny balan’ireo olon-dratsy, zandary efatra no mbola tsy hita sy tsy tafaverina an-dakazerina, hatramin’ny omaly. Mbola ao anatin’ny tanjany tanteraka kosa ny mpitarika azy ireo, izay niverina tao Amboasary Atsimo. Raha ny fanazavana azo dia mbola saika hiverina tany amin’ilay toerana nisian’ny fifanjevoana ity manamboninahitra ity, saingy tsy navela ho any aloha fa nasaina niakatra aty an-drenivohitra. Anio no nambara fa ho tonga eto izy, raha ny fantatra hatrany. Inoana fa hitondra fanazavana ny tena zava-niseho marina tany an-toerana.
m.L