Manomboka manintona ny sain’ny maro ankehitriny ilay heloka bevava nitranga tao amin’ny tanànan’Ivatana, ao amin’ny distrikan’i Manakara. Raha hiverenana fohy ary araka ny filaza avy any an-toerana dia mpitandro ny filaminana iray izay mitondra ny grady kapiteny no nitifitra ka nahafaty mpiambina hotely fandriam-bahiny. Ny anton’izany dia satria very ny findain’io kapiteny io ary noahiahiany ho ilay mpiambina no naka izany. Nentina nivoaka tao amin’ny hotely ary faty sisa no nahitana azy farany. Voatifitra teo amin’ny lohany. Omaly dia nanao fanambarana ny fikambanana Antemoro Mizaka Iringiriny (AMI) ary « manameloka ny famonoana an-dRavelonanahary Tafita noho ny ahiahy fotsiny (…) angatahina ny hanafainganana ny famotorana ary handraisana fepetra faran’izay haingana amin’izay nanao ratsy (…) melohinay ilay kapiteny nahavanona izao zava-doza izao (…) tsy ekena ny fisian’ny tsimatimanota sy ny fanamparam-pahefana ary ny fiheverana sasany ho ambonin’ny lalàna », raha araka ny andininy sasantsasany notsoahina tao anatin’ilay fanambarana. Arahina ny fivoaran’ny raharaha. Harovan’ny vondron’ny mpitandro ny filaminana misy azy ve ny nahavanon-doza?
D.R