Ny zoma lasa teo no tokony nohenoina teny anivon’ny Fampanoavana ilay miaramila, mitondra ny gradina Kaporaly, voarohirohy ho namono nahafaty tamin’ny fomba mahatsiravina tovovavy teny Ampitatafika. Tsy tontosa anefa izay tamin’io andro io, ary fantatra, araka ny fanazavàna azo avy amin’ireo mpanao fanadihadiana fa omaly izy no nohenoina teny Anosy. Taorian’ny fihainoan’ireo mpitsara mpanao famotorana azy dia fantatra fa nahazo fampidirana vonjimaika eny Tsiafahy, mandra-piandry ny fotoam-pitsaràna azy. Noho ny fisian’ity fitokonan’ireo mpiandry fonja anefa, raha ny fanazavàna azo hatrany, dia tsy afaka niditra teny amin’ity fonjabe ity ny lehilahy, omaly. Fantatra ary fa notazomina eny amin’ny biraon’ny zandary eny Fiadanana vonjimaika aloha izy, mandra-piandry izay filaminan’ny toe-draharaha eo amin’ireo mpiandry fonja izay. Tsiahivina fa ny talata lasa teo no niantso ny lehibeny teny amin’ny toeram-piasany teny amin’ny Tobin’ny RAS teny Ampahibe izy mba haka azy tany amin’izay toerana niafenany. Ireto farany avy eo no nanolotra azy ho eny am-pelatanan’ireo mpanao fanadihadiana. Marihana fa efa saika hamono tena angaha ity miaramila voarohirohy ho mpamono olona ity io izy nitolo-batana izao. Tamin’ny fotoana nangalàna azy mantsy dia nahitana poizim-boalavo tany aminy.
m.L