Noraofiny tao anaty coffre ny vola karaman’ny mpiasa 50 tapitrisa ariary mahery
Io no vola nangalarin’ity lehilahy iray tao amin’ny orinasa niasany tetsy Talatamaty. Nieritreritra ny tsy hisy hahita ny namakiany ny coffre kanjo araka soa aman-tsara tao anaty camera de surveillance. Nitrangan’ny halatra bevava tetsy amin’ny orinasa iray tetsy Talatamaty ny herinandro lasa teo. Vola tokony karaman’ny mpiasa tao amin’ity toerana ity no nisy naka tao anaty « coffre ». Nametraka fitoriana avy hatrany ny tompon’ny orinasa ary nandeha ny famotorana. Andro vitsy taty aoriana dia nahitam-bokany izany. Nanampy betsaka nahita ny tompon’antoka ihany koa ny « camera » napetraka tao amin’io toerana io. Fantatra taorian’izay fa mpiasa tao an-toerana ihany no nanita-kevitra, te hanan-karena tampoka, naka ilay vola, izay mitentina 50 423 000 ariary. Ny hariva teo am-piravana iny izy no niafina tao am-piasana ary niandry ny firavan’ny mpiasa rehetra. Taorian’izay no nanararaotra namaky ny vata nisy ny fitoeram-bola. Ny ampitson’io dia niverina niasa toy ny mahazatra ihany ranamana rehefa avy nanafina ilay volabe tany amin’ny fianakaviany. Tetika efa maty paika saingy diso drafitra kely no tsy nampahomby ny asa ratsiny sy nitarika tamin’ny fisamborana azy. Na dia niezaka nanafina ny endriny tamin’ny baoritra aza izy, ny fihetsiny rehetra talohan’izay dia voarakitra tao anatin’ny horonan-tsarin’ireo camera de surveillance avokoa, hoy ny fanazavana. Noraisim-potsiny izy taorian’ny fanadihadiana. « Rehefa azony ny vola dia nalefany tany amin’ny havany ary nalevin’ireto farany mba tsy hisy hahita » raha ny fanazavan’ireo mpanao famotorana. Efa hita soa aman-tsara moa ireo volabe ireo ary nisy telo amin’ireo havany, niray tsikombakomba taminy voasambotry ny zandary. Samy notanana natao andrimaso teny anivon’ny biraon’ny zandary avokoa moa ireto olona efatra voarohirohy tamin’io resaka halatra volabe io. Mbola mitohy kosa ny famotorana azy ireo sy ny mahakasika ity raharaha ity.
m.L