- Publicité SW45 -
lundi, juin 24, 2024
- Publicité -
AccueilFaits-DiversKaràna maty voatifitra : Atao anio etsy Anosy ny fitsarana

Karàna maty voatifitra : Atao anio etsy Anosy ny fitsarana

Araka ny vaovao voaray avy amin’ny fianakavian’ilay karàna tompona hotely tany Toliara maty nisy nitifitra tao anaty fiarany, tamin’ny volana aprily taona 2013, dia hotontosaina etsy amin’ny tirobonaly Anosy anio ny fitsarana ity raharaha ity. Ny tena mampalahelo ireo havany anefa, tsy naharay fiantsoana na nampahafantarina izany akory izy ireo. Malahelo izy araka izany, satria tany Tolaiara no niseho ny famonoana nefa aty Antananarivo no hotontosaina ny fitsarana. Any am-ponja moa amin’izao fotoana izao ireo voarohirohy amin’ity raharaha ity. Na izany aza anefa dia be fanahiana tokoa ny havan’ny maty amin’izay mety ho valin’izao fitsarana izao. Eo anatrehan’izany, mametraka fitokisana feno ny fahendren’ny tiribonaly izy ireo.

Tsiahivina fohy ny zavatra nitranga tamin’ny fotoana namonoan’ny sasany an’ity olona ity. Tompon’ny “Hôtel Le Recif” izy. Teo imasom-badiny no nisy nitifitra avy hatrany, 100 metatra akaikin’ny trano fonenany Sanfily Toliara. Olona voalaza fa mpikarama no nanao izany. Basy vita gasy no nampiasainy. Olona telo no voasambotra taorian’ny fandihadiana ka Karàna ny iray.

r.s.

- Publicité -
- Publicité -
- Publicité.-
Suivez nous
276,361FansJ'aime
4,243SuiveursSuivre
611AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser