Fantatra fa efa afa-doza tanteraka ilay teratany karàna sy ny zanany lahy nisy nitifitra tetsy Ambatobe ny alahady lasa teo. Ny ampitson’ny nahatongavan’izy tany amin’ny hôpitaly Darné, tany Maorisy ihany mantsy dia efa nandalo fandidiana ilay rainy, nanesorana ny bala tao amin’ny tanany, raha efa nomena ny fitsaboana sahaza azy kosa ilay zanany. Azo lazaina fa efa mihatsara tanteraka ny toe-pahasalaman’izy ireo, raha ny angom-baovao azo. Tetsy an-danin’izay kosa dia fantatra fa efa teraka soa aman-tsara kosa ilay vadiny izay mbola tavela aty. Tsiahivina fa saika hanaraka an’ity vadiny ity, hiteraka no antony nandehan’ity teratany karàna ity taty amintsika. Kanefa dia iny tifitra variraraka iny no nitsena azy raha iny izy sy ny zanany, handeha hamonjy fodiana teny Ambatobe iny. Hatreto kosa dia mbola mitohy hatrany ny fikaroham-baovao ataon’ireo mpitandro filaminana mahakasika ilay olona nitifitra, izay fantatra fa teratany vahiny ihany koa.
Nangonin’i m.L