- Publicité -
jeudi, août 21, 2025
- Publicité -
AccueilFaits-DiversKaràna voatifitra tetsy Ambatobe : Alefa tsaboina any Maorisy, izy mianaka

Karàna voatifitra tetsy Ambatobe : Alefa tsaboina any Maorisy, izy mianaka

Azo lazaina fa mbola tsara vintana ilay terantany karàna niaraka tamin’ny zanany, nisy nitifitra tetsy Ambatobe, ny alahady lasa teo. Araka ny fantatra mantsy dia avotra soa aman-tsara ny ain’izy ireo, rehefa nampidirina vonjimaika tetsy amin’ny hôpitaly Hjra, tetsy Ampefiloha ny andron’iny ihany. Ny angom-baovao hatrany anefa no nahafantarana fa tsy ho tazomina manaraka fitsaboana eto amintsika izy ireo fa alefa atsy amin’ny Nosy Maorisy. Any indray izany no hitohy ny fitsaboana azy raha ny fanazavàna azo hatrany. Ilay zazalahy dimy taona, zanak’ity terantany karàna voatifitra ity no nalefa voalohany, omaly maraina. Raha tsy nisy kosa ny antony hafa dia tokony efa lasa omaly hariva ny rainy. Araka ny fantatra hatrany, dia efa tsy misy atahorana intsony ny ain’izy mianaka ireto. Ity raim-pianakaviana ity no tena voa mafy tamin’ny tifitra. Ary araka ny tsilian-tsofina re dia toa mbola tavela sy miraikitra ao amin’ny tanan’ity terantany karàna ity ny bala nitifirana azy. Izay mety ho isan’ny antony andefasana azy hiala eto Madagasikara izany fa eo ihany koa araka ny voalazan’ny fianakaviana ny fahasahiranan’izy ireo mikarakara ny marary. Hatreto dia mbola mistery hatrany ny anton’ny nitifirana an’ity terantany karàna ity. Valifaty sa fangalàna an-keriny tsy nahaomby ? Na izany na tsy izany dia fantatra fa vao tonga teto an-toerana ity terantany karàna ity ary noho ny antony ara-pianakaviana no antony nahatongavany. Tera-bao mantsy ny vadiny ka nikasa ny hanatrika izany ny tenany. Ary iny izy handeha hody tany an-tranony iny, teny amin’ny « villa Le Panoramique » Ambatobe, izy sy ny zanany lahy vao dimy taona monja no norarafan’ny bala, tokony ho tamin’ny dimy ora hariva tany ho any. Ny azo antoka dia olona efa za-draharaha amin’ny famonoana no tao ambadik’ilay fitifirana. Toa efa maty paika avokoa mantsy, na ny toerana, ny lalana, ary ny fiara nandehanan’ireo mpitifitra, izay fiara 4×4, fitaratra mainty sy tsy misy laharana. Efa eny am-pelan-tanan’ireo mpitandro filaminana moa ny raharaha amin’izao fotoana izao, ka inoana fa tsy ho fantatra tsy ho ela ny marina mahakasika ity tranga ity.

m.L

- Publicité -
Suivez nous
414,384FansJ'aime
12,533SuiveursSuivre
1,820AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici