- Publicité SW45 -
dimanche, septembre 8, 2024
AccueilÀ lireAntanifotsy :  Karatany miisa 12 000 nozaraina tao soamanandrariny

Antanifotsy :  Karatany miisa 12 000 nozaraina tao soamanandrariny

Nandritra ny fizarana karatany ao Soamandrariny.

Ny kaominina Soamanandrariny  no nisitraka ny fizarana karatany tao amin`ny disrikan`Antanifotsy Faritra Vakinankaratra. Monodidina ny 12 000 ny karatany nozaraina tany an-toerana ny herinandro lasa teo. Paikady iray afahana mamaha olana amin`ny resaka ady tany ny fanana karatany satria mitovy lanja amin`ny fananana « titre« . Manome toky ny tantsaha mba tsy hiroroa saina amin`ny resaka taratasin-tany ny kara-tany no tsy manahirana rahateo ny dingana arahina azahoana ity karatany ity.

Tanjona napetraky ny fitondrana ankehiny moa ny hizara kara-tany 2 tapitrisa manerana ny Nosy ary antenaina fa hipetraka tokoa ny lanjan`ity antsoina hoe kara-tany ity. Tsy azo hodian-tsy hita mantsy ny olana amin`ny resaka fananan-tany eto amin`ny tanin`ny repoblika Malagasy fa rehefa faritra dia saika ahitana fifanolanana amin`ny ady tany avokoa.

Raha ho an`ny distrika Antanifotsy manokana dia efa aman`aliny ny kara-tany nozarana tamin`ireo mponina fa tamin`ity indray mitoraka ity dia ny mponin`ny kaominina Soamanandrariny no nisitraka izany.

Nambaran`ny governoran`ny faritra nandritra ny fandraisam-pitenenany fa afaka isorohana ny ady tany ny fanana kara-tany ary tokony hanana izany avokoa ireo tantsaha mba afahany miaro-tena sy ny taniny raha tojo olana.

Ankaoatra izay, natolotra tamin`ity lanonana ity ny fitaovana entina hanorenana ny sekoly any an-toerana toy ny tafo sy simenitra avy tamin`ny ministeran`ny fanabeazam-pirenena.

Andry N.

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
387,795FansJ'aime
7,021SuiveursSuivre
1,030AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici