Taorian’ny fanambaran’ny filoham-pirenena ny fanohizana ny hamehana ara-pahasalamana ao anatin’ny 15 andro indray, nefa efa manomboka miverina tsikelikely anatin’ny fiainany an-davanandro koa ny mponina, ka isan’izany ny fiverenan’ny mpianatra hanala fanadinana an-tsekoly, dia namoaka ny heviny amin’ny mety hisokafan’ny fiangonana katolika eran’ny Nosy ny Kardinaly SE Mgr Désiré Tsarahazana. Teny amin’ny birao fiasany izay misy ny trano fonenany eny Ampasimazava Toamasina no nanaovany ny fanambarana sy ny fanazavana ny hevitry ny fiangonana katolika mikasika ny fiverenana am-piangonan’ny kristiana. «…Anjaran’ny Eveka isaky ny diosezy avy no mandinika ny zava-misy eny aminy, ka mandray ny fepetra amin’ny hanokafana na tsia ny fiangonana handraisana ny mpiangona, nefa mila hajaina ny lalàn’ny fahasalamana sy izay voalazan’ny fanjakana amin’ny isa tsy azo ihoarana… ». Nambaran’ny Kardinaly SE Mgr Désiré Tsarahazana hatrany, fa efa nampahalalany ireo eveka rehetra manerana ny Nosy izany, ary mbola nanamafisany ihany koa fa mbola manan-kery avokoa ireo fepetra sasany noraisina teo aloha. Tsy inona izany fa ny mbola fampiahana ny sorona masina ho an’ireo pretra sy ny eveka ka izany dia alefa amin’ny fitaovan-tserasera samihafa hahafahan’ny kristiana manaraka izany. Ankoatra izany dia nomarihan’ny Kardinaly, fa tsy manome ny mpianatra an-tsekoly ireo sekoly katolika manerana ny Nosy amin’ilay CVO Tambavy entina miady amin’ny coronavirus izy ireo any an-tsekoly. Raha te-hisotro ny mpianatra sy te-hampisotro ny zanany ny ray aman-dreny dia afaka misotro izany any an-tranony izy ireo. Natao izao mba ho tompon’andrikitra amin’ny mety hitranga sy ny fahasalaman-janany ny ray aman-dreny.
Malala Didier