- Publicité -
mardi, juillet 8, 2025
AccueilFaits-DiversKardinaly Tsarahazana Désiré : « Tsy manohana sy tsy manana kandidà ofisialy ny fiangonana...

Kardinaly Tsarahazana Désiré : « Tsy manohana sy tsy manana kandidà ofisialy ny fiangonana katolika »

Ela ny ela ka nivoaka tamin’ny fahanginany amin’izay ny Kardinalin’i Madagasikara SE Mgr Tsarahazana Désiré, noho ireo fisandohana sy fampiasana ny anarany ; izay tsy nangatahana sy tsy nahazoana alàlana avy aminy akory, ataon’ireo andian’olona sy ireo kandidà sasany ary ireo mpanohana kandidà. Nahitsy sy tsy niolaka ny Kardinaly SE Mgr Tsarahazana Désiré nilaza fa « tsy manana kandidà ofisialy, sy tsy manana kandidà tohanana amin’izao fifidianana hatrehan’ny firenena sy ny vahoaka malagasy afaka volana vitsy izao ny fiangonana katolika ». Nomarihany hatrany, fa efa ela no nilazany izany, saingy mbola betsaka ireo tsy nahare sy manao fanahy iniana manao izany hatrany, ka « manana adidy aho milaza mivantana izany ho ren’ny be sy ny maro, hialana amin’ny fahadisoan-kevitra », hoy hatrany ny Kardinaly SE Mgr Tsarahazana Désiré. Nambaran’ny kardinaly kosa anefa, fa manana adidy mandray anjara amin’ny fifidianana ny mpino katolika rehetra, satria adidy amin’ny firenena izany, sy miantoka ihany koa ny tany tàn-dalàna ary ny fampiharana ny tany demokratika eto amintsika. Ho an’ny kardinaly anefa, dia ny vahoaka ihany no masi-mandidy amin’ izay kandidà tiany. Saingy nambarany hatrany, fa tokony hahay hifidy ny Malagasy mba hananany filoha hendry sy matahotra an’Andriamanitra ary tena vonona marina hampandroso ny firenena. Raha ny angom-baovao natao, dia noho ny fisian’ity kandidà iray namoaka ny sariny nanaovana alimanaka naparitaka amin’ny resaka politika sy fanehoan-kevitra politika miely manerana ny Nosy no antony nanaovan’ny kardinaly izao fanambarany sy nivoahany tamin’ny fahanginany izao. Noho ilay tanjona sy filamatry ny kardinaly amin’ilay hoe: « Reseo amin’ny soa ny ratsy », dia tsy hitory ny fiangonana katolika sy ny tenany mikasika ny zava-misy.

Malala Didier

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici