- Publicité SW45 -
lundi, janvier 13, 2025
AccueilFaits-DiversKariera Sahatona Antsohihy : Trano 34 isa norobaina ary nodorana nony avy...

Kariera Sahatona Antsohihy : Trano 34 isa norobaina ary nodorana nony avy eo

Midinika ny amin’ny mety hirosoana amin’ny fanakatonana ity toeram-pitrandrahana volamena ao amin’ny faritra Sofia ity, ny eo anivon’ny Omc, taorian’io tranga niseho omaly maraina io.

Nitrangana korontana omaly maraina tao amin’ny tananan’i Sahatona, kaominina Andohajango, distrikan’i Mandritsara, faritra Sofia. Tanana izay fantatra fa misy ny toeram-pitrandrahana volamena any amin’iny faritra iny. Andian’olona maromaro mpitrandraka tao amin’io faritra io no tonga nanafika ankitsirano ireo mponina tao an-toerana. Nisy ny fanoheranan’ireo farany ary niafara tamin’ny afo sy rà mandriaka izany. Araka ny fampitam-baovao avy amin’ny zandary dia trano manodidina ny 34 tafo teo ho eo no nodoran’ireto andian’olona ireto. Talohan’izay anefa dia nisy ny fandrobana, fanimbana fananana ary fandratràna ireo tompony. Maromaro ihany ireo naratra, hoy ny fampitam-baovao azo, saingy tsy mbola fantatra mazava ny isany hatreto.

Fibodoana

Raha ny fantatra dia miha-mitombo hatrany hatrany ireo olona tonga mitrandraka volamena ao amin’ity karieran’i Sahatona ity. Nisy andian’olona maromaro anefa, anisan’ireo mpitrandraka, tsy nety nionona intsony tamin’ilay toerana voatokana ho trandrahana intsony. Toerana izay mihataka kely ny tanana. Voalazan’izy ireo mantsy fa ao amin’ilay tanana misy ireo mponina ihany koa dia misy volamena ka niditra nibodo izany. Tsy nanaiky izany ireto mponina, satria efa potika noho izay fitrandrahana izay ny tanimbarin’izy ireo, dia izao mbola hiditra tanteraka eo an-tanana mihitsy ireo mpitrandraka. Ireto farany anefa niziriziry tamin’ny heviny, raha ny fanazavana azo ary nikiry ny hiditra ao an-tanana ihany, tamin-kery mihitsy. Raikitra ny rombo. Ary io niafara tamin’ny doro trano sy fandrobana io.

Fanakatonana

Teo anatrehan’ny zava-nisy dia nisy avy hatrany ny fandraisana andraikitra nataon’ireo mpitandro filaminana sy ireo tompon’andraikitram-panjakana tany an-toerana, tamin’ny alalan’ny OMC. « Tsy afaka ny hijery fotsiny toe-javatra tahak’izany izahay ». Tamin’io omaly io ihany dia zandary maro avy any Antsohihy no tonga nanantevin-daharahana ireo zandary am-polony avy any Mandritsara, efa nidina avy hatrany tany an-toerana, niezaka nifehy ny zava-nisy, nanao ny fanadihadiana ary nisambotra ireo andian’olona, voarohirohy tamin’izao fanafihana tanana izao. Efa  nisy ihany koa ny fivoriana teo anivon’ny OMC ary nodihana tamin’izany ny mety hanakatonana tsy misy fepetra ity toeram-pitrandrahana volamena any an-toerana ity ary handroahana ireo mpitrandraka rehetra ao an-toerana.

m.L

- Publicité -
Suivez nous
401,973FansJ'aime
9,563SuiveursSuivre
1,463AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici