- Publicité -
mercredi, juillet 2, 2025
AccueilFaits-DiversKarierana safira vaky ao Soanierana Ivongo : Andian’olona efapolo isan-kerinandro no tonga...

Karierana safira vaky ao Soanierana Ivongo : Andian’olona efapolo isan-kerinandro no tonga ao

Hatreto dia mionona amin’ny tatitry ny sefom-bohitra ao Soamalaza, ny filoham-pokontany ao Soatanana, ary ny ben’ny tanana ao Antenina, distrikan’i Soanierana Ivongo, ny rehetra mikasika ilay voalaza fa karierana safira vaky any an-toerana. Raha io fanazavana io dia efapolo isan-kerinandro ireo andian’olona tonga any an-toerana, ka ao ny mpitrandraka, ao ihany koa ireo mpibizina, ary ao ireo mpividy ny vokatra. Manakaiky vondron’ala voaaro ao Antenina, ao anatin’ny tandavan’ala Zahamena, ity toerana misy karierana safira voalaza fa vaky ity, raha ny fanazavana azo hatrany. Sarotra anefa ny fahazoam-baovao sy ny fitsirihana tokony hatao raha ny fanazavan’ny tale iraisam-paritry ny harena ambanin’ny tany sy ny solika, izay naira-nivory tamin’ireo tompon’andraikitra ara-panjakana tao Soanierana Ivongo ny faran’ny herinandro teo, satria lalana telo no fomba hahatongavan’ny olona ao amin’ny kaominina Antenina sy ny fokontany Soatanana ary ny vohitra Soamalaza misy ilay kariera. Ny voalohany dia ny miainga ao Soanierana Ivongo izay hanaovana dia an-tongotra efatra andro anaty fotaka sy renirano ny lalana 150Km. Izay no tsy hahatsapana ny fisian’ireo voalaza ho andian’olona mirohotra mihazo ity vohitra Soamalaza misy ny karierana safira voalaza fa vaky ity. Ny faharoa dia ny mandeha sambo kely mihazo an’i Mananara avaratra, avy eo manofa moto amin’ny 150.000 ariary izay atao adiny 08 ora hatramin’ny 12 ora eo, arakaraka ny toetr’andro, ka ao Antanibe no miantsona izay mbola miampy dia an-tongotra adiny 03, vao tonga ao Soamalaza , vohitra mampisaraka ny distrikan’i Soanierana Ivongo amin’ny distrikan’i Mananara avaratra. Ny fahatelo farany dia ny lalana miainga ao amin’ny kaominina Marotandranon’i Mandritsara, izay dia an-tongotra roa andro dia tonga ao amin’ny fokontany Soatanana ary tsy lavitra ao ny vohitra Soamalaza. Hatreto aloha tsy mbola nisy ny nitonona ho nahita sy nivarotra safira azo tao amin’ity karieran’Antenina ity.

Malala Didier

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici