- Publicité SW45 -
mercredi, octobre 23, 2024
- Publicité -
AccueilFaits-DiversHosoka : Karohina ny tompon’ny fiara raitra telo

Hosoka : Karohina ny tompon’ny fiara raitra telo

Tsy toy ny filazàna fikarohana mahazatra fanaon’ny mpitandro ny filaminana no misy eto fa kosa ny fiara indray no karohina ny tompony. Namoaka filazàna ôfisialy ny sampan-draharaham-pirenena misahana ny ady amin’ny hosoka na ANAF. Sampan-draharaha izay eo ambany fiahian’ny fiadidiana ny Repoblika. Fiara telo tena raitra dia Nissan Patrol V8 mitondra ny laharana 8888 TCA, Ford Ranger laharana 15136 WWT ary Chevrolet Cruze laharana 8888 TAR. Ny tompon’ireo no karohin’ny ANAF raha jerena ny filazàna izay nivoaka omaly. Tsy mbola nisy kosa ny fanazavàna momba ny raharaha saingy azo an-tsaina avy hatrany fa mahakasika fampiasàna hosoka izany. Raha hiverenana dia tamin’ny volana janoary 2021 no nitsangana ny ANAF araka ny tapaka tamin’ny filan-kevitry ny minisitra. Niampy azy io dia azo heverina fa feno tanteraka ny rafitra rehetra entina miady amin’ny hosoka sy ny kolikoly ary ny famotsiam-bola. Sehatra izay nahazo lanja hatry ny ela kanefa isan’ny mamotika haingana ny firenena. Raha ny rafitra no jerena dia isan’ny tena mafy ny eto amintsika. Tsy mifanandrify amin’izany kosa anefa ny vokatra hatreto raha ny fahitàn’ny olom-pirenena azy.

D.R

- Publicité -
- Publicité Google Ads -
Suivez nous
387,795FansJ'aime
7,021SuiveursSuivre
1,030AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici