- Publicité -
mardi, juillet 29, 2025
- Publicité -
AccueilFaits-DiversKartien’ny karàna : Nohamafisina ny fiambenana

Kartien’ny karàna : Nohamafisina ny fiambenana

Tsaralalàna, Andravoahangy ary Behoririka. Nahatsikaritra an’izany avy hatrany, indrindra ireo mpandeha amin’ny alina, raha vao nanomboka nisahotakotaka ny tanàna nanomboka tamin’ny fiandohan’ity herinandro ity. Ireo misy be teratany karàna mpivarotra no tena betsaka ny fisafoana ataon’ny mpitandro ny filaminana. Tsy izay ihany fa misy olon’ireo farany miandry ireo toerana. Midika izany fa misy tahotra avy hatrany eo anivon’ireo mpandraharaha karàna taorian’ny zava-niseho, indrindra koa raha nisy ny fisamborana ny sasantsasany izay noheverina hatrizay fa tsimatimanota. Tsy ny karàna ihany fa ny mpivarotra sinoa sasantsany ihany koa dia mahana avy hatrany ary nisy aza omaly ny tsy namoha ny varotra mihitsy. Tetsy Behoririka no tena nahitàna an’izay. Ho an’ny frantsay indray dia mandeha hatrany ny fandefasana hafatra fohy (sms) ho an’ireo olony eto Madagasikara, indrindra eto an-drenivohitra, izay manome torolalana ny amin’ny toerana tokony haleha sy tsy haleha. Afak’omaly ohatra dia nanafatrafatra ny masoivohon’izy ireo eto an-toerana ny mba tsy handehanana eny Ambohidahy sy Mahamasina. Raha atao bango tokana dia samy miahiahy avokoa izany ny teratany vahiny monina eto amintsika taorian’iny raharaha Namontana iny.

D.R

- Publicité -
Suivez nous
414,384FansJ'aime
12,533SuiveursSuivre
1,820AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser