Raha ny heno, dia hafindra eny Itaosy ny Pasitera Dina. Tsy eken’ny mpino anefa izany satria mila ny fiangonana roa tonta no mifanaiky. Efa nandrasan’ny mpino tonga maro namonjy ny fotoam-pivavahana tao amin’ny Katedraly FJKM Analakely ny fahatongavan’ireo iraka avy amin’ny Birao Foibe FJKM (BF) omaly teny an-toerana. Ireto farany izay voalaza, fa hamaky ny taratasy fanalàna ny Pasitera Dina Razafy ; izay mitandrina io Fiangonana io amin’izao fotoana eo anatrehan’ireo Mpihevi-draharaha. Tsy tontosa anefa izany. Voatery niala ny efitrano nivoriana ny iraka izay nahitana ny Sekretera jeneraly, ny Filoha lefitra, ary ny tonian’ny Departemanta. Nandà mafy ny fikasana hanala ny mpitandrina ireo Mpihevi-draharaha, satria tsy manaraka ny foto-dalàna mihefy ny FJKM ny nandraisana io fanapahan-kevitra io, raha araka ny fanamarihana nataon’ireo izay nandray fitenenana. Ireto farany izay nampahatsiahy, fa fitoriana 11 ny Pasitera Dina teo anivon’ny Synodam-paritany FJKM Avaradrano (SPA) no niaingan’ny olana. Nitarika fampiatoana ity Mpitandrina ity tamin’ny asany, nandritra ny telo volana izany. Nanaiky izany didy izany ity Mpitandrina ity sy ny mpino mba hisian’ny filaminana, na dia nambaran’ireo Mpihevi-draharaha fa tsy mitombina ary fanendrikendrehana ihany ilay fitoriana. Mbola tsy tapitra akory ilay 3 volana fampiatoana, dia nisy indray olona roa hafa voalaza fa mbola nitory ity mpitandrina ity teo anivon’ny SPA. Mba handinihana izany dia niantso fivoriana tsy ara-potoana in-telo nisesy ny mpihevi-draharaha teo anivon’ny SPA. Fiantsoana fivoriana izay kianin’ireo mpino satria natao tamin’ny SMS fotsiny. Nambaran’ny mpitondratenin’ny mpino koa fa tsy nitsahatra ny antsojay natao tamin’ny fiangonana. Teo ny fandefasana vadintany sy polisy tao am-piangonana nandritra ny Alahady fandraisana tamin’ny desambra 2018. Nisy ihany koa ny fandefasana « gros bras » nanakorontanana ny Antsam-panahy. Niangavy ny BF ny mpino mba hanaja ny foto-dalàna mifehy ny FJKM amin’ny fandraisana fanapahan-kevitra. Marihina fa tsy salama ary mitsabo tena any amin’ny nosy Maorisy ny Pasitera Dina Razafy amin’izao fotoana izao.
T.M.