Faritra telo amin’ny tapany atsimon’ny nosy iny no ianjadian’ny kere, ka ny tena mitondra faisana amin’izany dia ny faritra Androy sy Atsimo Andrefana, ka ireo tanàna tena mifanila amin’ny ranomasina no tena voa mafy indrindra dia Ambovombe, Beraketa, Bekily, Tsihombe, Beloha, Faux-Cap, Marolinta, Lavanono, Ampanihy-ouest, Betioky, Ejeda. Efa tsy misy hohanina intsony ny ankamaroan’ny mponina amin’ireo kaominina ireo amin’izao satria maina tanteraka ny tany, ka ny voly tsy misy manjary. Ny biby fiompy toy ny omby osy aman’ ondry ary ny akoho mahia be avokoa ka matimaty dahalo.
Lany ny raketa. Miaina ao anaty hanoanana tanteraka ny mponina amin’iny faritra iny, satria lany ny raketa. Ifampitadiavana ny rano sy ny sakafo (vary, mangahazo maina, voamaina, katsaka, sns) izay foto-tsakafon’ny mponina any an-toerana saingy vidin-dafo, kanefa ny ankamaroan’ny olona tsy misy vola an-tanana intsony. Ny rano iray daba 20 litatra, hoy ny vaovao voaray, vidina 1 500 ariary raha mahita. Mirongatra ihany koa ny valan’aretina samihafa vokatry ny tsy fanjarian-tsakafo ka mitombo isa ireo olona mosary maty, indrindra ny zaza, ka hanahirana ny fanjakana.
Eric Manitrisa