- Publicité -
mercredi, mai 14, 2025
AccueilFaits-DiversKiangara : Mpandraharaha maty voatifitry ny jiolahy

Kiangara : Mpandraharaha maty voatifitry ny jiolahy

Nitrangana fanafihana mitam-piadiana tao  Kiangaran ny faran’ny herinandro teo. Vokany, raim-pianakaviana iray mpandraharaha any an-toerana no maty voatifitr’ireo olon-dratsy. Very tamin’izany ny vola  dimy tapitrisa ariary teo ho eo.

Jiolahy teo amin’ny efatra, mirongo fiadiana no niditra an-keriny tao amina tokantranon’ny mpandraharaha iray tao amin’ny fokontany Andranofeno. Nitifitra avy hatrany ireto olon-dratsy ary voa teo amin’ny lamosiny ny tompon-trano. Lasan’izy ireo tamin’izany  ny vola rehetra ary nitsoaka toy ny tsy teo ireto mpanafika. Nezahina nentina notsaboina tany amin’ny hôpitaly kosa ilay rangahy voatifitra, saingy tsy tana intsony ny ainy, noho ny ratra mafy nahazo azy.

Taorian’io, dia nanao fanadihadiana sy hazalambo ireto jiolahy ireto ny zandary tany an-toerana. Tsy niandry ela fa ny ampitson’ny fanafihana, dia nisy roa tamin’ireo mpanafika no voasambotra. Ireto olona roa ireto izay nambara, fa isan’ireo tompon’antoka tamin’ilay fanafihana mihitsy. Tamin’ny famotorana natao azy ireo no nilazany ny namany; izay nambaran’izy ireo ihany koa fa ati-dohan’ilay fanafihana. Nosamborina ihany koa  ity olona ity. Mbola tao anatin’ny famotorana ihany no nahafantaran’ireo mpitandro filaminana, fa mbola misy naman’izy ireo telo lahy mandehandeha any. Ireto telo lahy ireto dia mpiray tsikombakomba tamin’izy ireo, satria izy ireo dia naniraka ireo olon-dratsy hanafika io mpandraharaha io ary nanakarama azy ireo vola iray tapitrisa ariary. Mbola an-dalam-pikarohana ireto farany moa ireo zandary. Mahakasika ireo olona telo voasambotra kosa, dia efa natolotra ny Fampanoavana ny alatsinainy lasa teo ka ny roa tamin’izy ireo, ireo tena nandray anjara nivantana no nampidirina am-ponja vonjimaika. Ilay olona fahatelo kosa dia nahazo fahafahana vonjimaika, araka ny fampitam-baovao azo hatrany.

m.L

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici