- Publicité SW45 -
mercredi, janvier 15, 2025
AccueilFaits-DiversKianja mainty Isotry : Lehilahy 58 taona sarona nivarotra rongony

Kianja mainty Isotry : Lehilahy 58 taona sarona nivarotra rongony

Mbola andrasana ny ahitana izay tena mpamatsy itony rongony itony

Azo antenaina ihany ny hampndry fahalemana ireo faritra mafampana toy ny eny Isotry sy ny manodidina azy iny raha mitohy izao fandraisana andrraikitra ataon’ny fiaraha-monina izao. Rangahy lehibe iray 58 taona no voasambotry ny Polisy avy ao amin’ny kaomisaria boriboritany faha-4 etsy Isotry omaly 24 novambra 2022 tokony tamin’ny 6 ora sy sasany maraina teny amin’ny Kianja Mainty manodidina ny Manarintsoa Centre et Est nitazona sy nivarotra rongony. Ollona tsara sitrapo no nilaza tamin’ireo polisy nanao fisafoana teny amin’ny mandidina iny faritra iny ny fisian’ity fandikana lalàna goavana ity tamin’io fotoana io. Raha vao nandre izany ireo mpitandro ny filaminana dia nidina teny an-tsehatra avy hatrany hizaha ny zava-misy. Vokany, lehilahy lehibe iray no voasambotra tamin’izany. Rehefa nosavaina izy dia nahatratrarana Rongony 60 fonosana izay tao anaty sachet plastika. Nosamborina avy hatrany ity olona ity ary nogiazana ny entany ka noentina teny amin’ny biraon’ny polisy hanaovana fanadihadiana.. Tamin’izany no nilazainy fa azy ireo rongony ireo izay hamidiny eny amin’niny faritra Manarintsoa iny Tsikaritra tokoa tato ho ato fa mirongatra indray ny fiparitahan’ity zava-mahadomelina  ity eto Antananarivo. Fositra iray izay mampirongatra ireo asa-ratsy maro isan-karazany toy ny fanolanana sy ireo halatra mitam-piadiana. Tsy tompon’ny tenany intsony ireo mpidoroka azy ireny ka zary sahisahy hanao ny tsy fanao.

T.M.

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
401,973FansJ'aime
9,563SuiveursSuivre
1,463AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici