- Publicité -
mercredi, mai 14, 2025
AccueilFaits-DiversKianjan’ny 80 lahy : Mpitolona valo naiditra am-ponja

Kianjan’ny 80 lahy : Mpitolona valo naiditra am-ponja

Nanomboka ny asabotsy teo izy ireo no nidoboka etsy Antanimora. Fianakaviana sy mpinamana izay nitolona amin’ny fivarotana ny kianja 80 lahy amin’ny sinoa no ifandraisan’izy ireo ary isan’ny nafana fo tamin’ny tolona mahakasika izany. Mazava ho azy, raha vao nisy ny fanenjehana ara-pitsarana an’ireo olona ireo dia azon’ny mponina teo an-toerana avy hatrany fa misy ifandraisany tamin’ny tolona nataon’izy ireo ny anton’izany. Raha ny fitantaran’ny havan’ireo olona dia nisy trano vaky teo amin’ny manodidina an’Ambatobe ary niantefa tany amin’izy ireo avy hatrany ny fitoriana. Tohina tanteraka ny mponina tamin’ny zava-nitranga, indrindra koa raha nandre fa nisy vehivavy iray nitondra vohoka tao anatin’ireo nidoboka am-ponja. Rehefa nozohiana dia mpiasa eo anivon’ny tribonaly Anosy ny tompon’ny trano vaky ary mainka koa izany nanampy ny fanahiana teny an-toerana fa nisy fanamparam-pahefana mifandraika amin’ny raharaha kianja 80 lahy ao ambadiky ny fanagadràna. Mangataka ny havan’ireo olona ny mba hijerena akaiky ny raharaha ary indrindra koa ny mahakasika ilay mitondra vohoka izay midoboka am-ponja. Manara-maso akaiky ny raharaha ny mponina eny an-toerana satria amin’izy ireo dia endrika fanampenam-bava no mitranga ankehitriny.

D.R

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici