Omaly tokony ho tamin’ny 10 ora sasany alina no tra-tehaky ny pôlisy misahana ny ady amin’ny asan-jiolahy mahery vaika (SAG) ny enin-dahy, izay nikasa ny hamoaka fitaovam-piasàna avy tao amin’ny kianjan’ny Barea, tetsy Mahamasina. Araka ny fampitam-baovao avy amin’ny pôlisim-pirenena dia tao anatin’ny fotoana tsy azo ivezivezena, na ny « couvre-feu » izy ireo no nahatsikaritra « camionnette » sy lehilahy maromaro nibata entana avy tao amin’ny Kianjan’ny Barea, nampidirina tao anatin’ilay fiara. Toe-javatra hafahafa tokoa satria efa tsy nisy mpiasa intsony tamin’ity toerana ity amin’izany fotoana izany. Nanatona avy hatrany ireto pôlisy ireto, kanjo raha vao hitan’ireo andian’olona mpibata entana dia rafitra nitsoaka izy ireo, namela ireo entana sy ilay fiara teo. Rafitra teo ny fifanenjehana ary tsy lasa lavitra dia voasambotra avokoa izy enin-dahy : ny dimy mpibata entana ary ny iray mpamily. Fantatra avy hatrany teo fa saika hangalatra ireo fitaovana entina manamboatra ity kianja ity izy ireo, raha ny fampitam-baovao azo hatrany. Teo no ho eo ihany moa dia nentina nihazo ny biraon’ny kaomisaria izy rehetra, mba atao famotorana.
Tsy mety fay ! Efa maro ihany izay tratran’ny pôlisy, ho an’ireo tia kely sy mpanararaotra, nikasa ny hamoaka an-tsokosoko ireo fitaovana entina hanaovana ny kianjan’ny Barea etsy Mahamasina. Efa maro tamin’izy ireo no efa nidoboka sy manefa ny saziny eny am-ponja, kanefa dia mbola misy sahy hatrany manao izany asa ratsy. Izay tokoa angaha ny hoe izay tratra dia manefa aloha, izay tsy tratra manohy ny asa ratsiny hatrany, na amin’ny resaka inona na amin’ny resaka inona. Dia toa izay foana ny zava-misy eto amintsika. Ny tena mahazendana aza moa, ny am-ponja dia efa ataon-dry zalahy ireny hoe toeram-pialan-tsasatra. Fiatoana kely amin’ny asa ratsy fa rehetra mivoaka dia mbola manohy hatrany. Soa ihany, mbola vonona hatrany koa ireo mpitandro filaminana, tsy mikely aina miambina sy misambotra.
m.L