Raha variana niandry ny fanombohan’ny hetsika tetsy Mahamasina ny rehetra ny asabotsy maraina teo, toe-javatra hafa mihitsy no nitranga ka nanintona ny saina tampoka. Tokony ho tamin’ny fito ora maraina dia nirehitra ny fanamafisam-peo an’ny Tarika Rossy izay nipetraka tsara tao anaty kamiao semi-remorque. Kila tanteraka izany ary tsy nisy niangana arak’izany ny fitaovana maro. Mbola nisy fampisehoana natao anefa ny alin’ny zoma tao an-toerana ary tsy nijanona aza izany raha tsy tamin’ny efatra ora sy sasany maraina. « Fety izay natao ho fanaovam-beloma ny mpitendry iray izay hipetraka any ivelany no natao ary tsy ny olon-drehetra no afaka nanatrika an’izany fa kosa izay olom-pantatra sy mpinamana ihany » raha araka ny fanazavan’i Rossy. Io farany ihany no nanindry mafy fa tsy azo heverina ny hoe « court-circuit » raha ny momba ity zava-nitranga ity. Nandeha tsara mantsy ny herinaratra ary raha toa ka nisy ny fiakaran’ny tosika dia ny « disjoncteur » no tokony ho nijanona voalohany. Nampiany ihany tamin’ny tambajotra sosialy fa ahiany mafy ny hoe nisy nandoro satria ny porofo rehetra izay ananany dia mifanohitra amin’ny hoe nirehitra hoazy. Tamin’iny asabotsy iny ihany, raha tsy nanampy ireo mpitandro ny filaminana maro izay niambina ny kianjaben’ny Mahamasina dia sarotra ny namehy ny afo ary nahiana ho levona tanteraka ny Kianjan’ny Kanto. Ireo, niaraka tamin’ny mpamonjy voina, no nifanome tànana tamin’ny famindràna izay entana azo navotana ary koa ny famonoana ny afo. Nametra-panontaniana ny maro hoe inona izany no tanjona tamin’ity raharaha ity, raha toa ka tena niniana nodorana tokoa ny Kianjan’ny Kanto.
D.R