- Publicité SW45 -
dimanche, avril 28, 2024
AccueilFaits-DiversKidnapping : Alasora, Ambohibao ary Talatamaty no fanafenana ireo karàna

Kidnapping : Alasora, Ambohibao ary Talatamaty no fanafenana ireo karàna

Efa-dahy hafa indray no voasambotry ny brigade criminelle mahakasika ny raharaha fakàna an-keriny izay nisesy teto an-drenivohitra. Teny Andoharanofotsy no nahazoana ny iray tamin’ireo ary io no nanondro izay nisy ny namany nandritra ny fanadihadiana. Mpiray tsikombakomba amin’i Voay avokoa izy rehetra ireo raha araka ny fanazavan’ny lehiben’io sampan-draharahan’ny pôlisy misahana ny heloka bevava io. Io jiolahy voatonona farany io dia tsy mbola voasambotra aloha hatreto. Fantatra ihany koa fa izy ireo avokoa no isan’ny tompon’antoka tamin’ny fakàna an-keriny Karàna tetsy Ivandry (28 martsa), Ivandry (11 jiona) ary koa Behoririka (18 jiona). Eny Alasora, Ambohibao ary Talatamaty no fanafenan’ireo olon-dratsy ireo ny karàna izay avy nalaina an-keriny. Tetsy Talamaty dia isan’ny voasambotra ny mpiambina iray niray petsapetsa tamin’ireo mpanao kidnapping. Efa tafakatra hatrany amin’ny 300 tapitrisa ariary (1miliara sy tapany fmg) ny vola azon’ity andian-jiolahy ity tamin’ireo kidnapping telo notanterahiny. Izany hoe tsy latsaky ny 100 tapitrisa ariary isaky ny mandeha no alainy amin’ireo Karàna. Mbola mitohy hatrany ny fanadihadiana etsy Anosy ary isan’ny tadiavina fatratra ankehitriny i Voay.

D.R

- Publicité Google Ads -
Suivez nous
276,361FansJ'aime
4,243SuiveursSuivre
611AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser