Raha variana tany amin’ny kidnapping ny filoha teo aloha ny besinimaro. Ny zandary tetsy Fiadanana kosa dia nisoko miadana nanohy ny fanadihadiana momba ny fakàna an-keriny tany Toamasina an’ilay teratany indopakistanais, Alek Owen. Nisy miaramila iray manamboninahitra lefitra nosamborina dia natolotra ny Fampanoavana ny alatsinainy teo. Naiditra eny Tsiafahy avy hatrany izy taorian’izay. Fantatra ihany koa fa nisy olona roa hafa nosamborina tany Manakara momba ity raharaha ity hatrany. Heverina fa nitsoaka tany izany izy ireo rehefa nahazo ny volabe takalon’aina. Ny halaviran’ity fisamborana ity dia midika fa tena milomano tanteraka ao anatin’ny fanadihadiana ny mpitandro ny filaminana. Raha tsiahivina dia nampiakarina aty an-drenivohitra ny dosie momba ny raharaha ka ny etsy Fiadanana sy ny etsy Anosy no indray mandray an-tànana an’izany. Samy manao ny fanadihadiany arak’izany ny zandary sy ny pôlisy momba ity kidnapping iray ity. Olona dimy izany hatreto no efa voasambotra. Mbola mety hitombo anefa izany isa izany satria re koa fa efa misy voasambotra any ho any. Misy arak’izany ny vokatra, saingy ny fanontaniana izay mipetraka ary handrasan’ny maro ny valiny dia ny hoe : mbola velona ve i Alek?
D.R




