- Publicité -
mardi, juin 17, 2025
AccueilFaits-DiversKidnapping an’i Owne Alek : Homena valisoa 40 tapitrisa ariary izay manome...

Kidnapping an’i Owne Alek : Homena valisoa 40 tapitrisa ariary izay manome vaovao

Tsy mbola kivy ny fianakaviany ary manao izay rehetrahahitàna azy. Nanapa-kevitra ireo ny hanome valisoa ho an’izay manome vaovao mifandraika amin’izany…

Feno 50 andro katroka, omaly, ny nangalan’ny jiolahy an-keriny an’ilay teratany indopakistanis Owne Alek. Tsy hita izy hatramin’izao ary tsy fantatra na maty na velona, indrindra koa, fantatra fa taizan’ny diabeta izy ary mila tsindrona isan’andro.  Nomarihan’ny fianakaviany anefa fa efa nomen’izy ireo ny vola notakian’ireo mpanao takalon’aina. Nandamoaka avokoa hatreto izay ezaka efa natao, na izany avy amin’ny fianakaviana, na izany avy amin’ny mpitandro ny filaminana. Omaly ary dia tapa-kevitra ireo olona akaiky azy hanome valisoa izay afaka manome vaovao marim-pototra ka hahitàna an’i Alek Owne. Mitentina 40 tapitrisa ariary izany tambin-karama izany, raha araka ny fanazavan’izy ireo teo amin’ny tambajotra sosialy. Inona no antony tsy hamotsoran’ireo olon-dratsy an’i Owne Alek? Mihodidina eo ny fanontaniana ankehitriny. Raha ny tsilian-tsofina re mantsy dia tsy nisy intsony ny fifandraisana an-tariby teo anivon’ireo jiolahy mpaka an-keriny sy ny fianakaviana. Inona ihany koa no mety ho anton’izany? Manoloana ny zava-misy aloha dia tsy valaketraka ny havany ary manantena hatrany fa mbola velon’aina any ho any i Owne Alek. Misy ny rohim-bavaka izay mandeha, efa maherin’ny iray volana izay, izay ataon’ny vondrona karàna, indrindra ho an’ireo izay mahafantatra tsara an’i Owne Alek. Raha ny voamarika teo amin’ny tambajotra sosialy dia afaka miantso amin’ny laharana 0325018711 izay hanome vaovao momba ny fikarohana an’i Alek Owne.

D.R

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser