- Publicité -
jeudi, mai 29, 2025
AccueilFaits-DiversKidnapping ao Tsaratanàna : Manahy ambadika politika ny depiote

Kidnapping ao Tsaratanàna : Manahy ambadika politika ny depiote

Tsy nitsanga-menatra ny solombavambahoakan’i Tsaratanàna, manoloana ny trangam-panafihana mitam-piadiana, miharo fakana an-keriny nonomboka tamin’ny 26 sy 30 desambra taona 2024 lasa teo iny, hany ka hatraty amin’ny volana janoary taona 2025 dia namoaka feo hoan’ny tompon’andraikitra ambony mahefa ihany koa ny tenany. Manahy ny depiote Thony Randriamalala, voafidy tany an-toerana, fa mety misy ambadika politika ny tranga « kidnapping, » manao sesilany any amin’ny tapany atsimon’ny disitrikan’i Tsaratanàna, satria hamoaka ny voka-pifidianana kaominaly farany teo iny ny  » Tribunal administratif, » ato ho ato, ka mety ho fanakorontanana misy ifandraisana amin’izany izao tranga izao, araka ny fanazavany hatrany. Ny angom-vaovao ihany koa no nahalalana fa hamory tsy misy hataka andro ny mpikambana ao amin’ny dinam-pokon’olona, any amin’ny ilany atsimon’ny disitrikan’i Tsaratanàna ny solombavambahoaka, anio alakamisy faha-16 janoary taona 2025 mba hanohizana ny savahao miaraka amin’ny mpitandro ny filaminana, any amin’ny toerana fieren’ny jiolahy na kizo. Noho izany dia manao antso amin’ireo manam-pahefana isan’ambaratonga any an-drenivohitr’ i Madagasikara ny lehilahy, mba hamongorana ity fankana an-keriny tsy manam-pahavitana ity. Nohamafisiny hatrany fa nizotra nianatsimo atsinanan’ny disitrikan’i Tsaratanàna, hihazo any amin’ny disitrikan’Anjozorobe iny ny lalan’ireo malaso nitondra ny lehilahy iray sy ankizy mpianatra niisa telo avy any ambanivohitra, izay kilasy fahenina, nalain’ny jiolahy an-keriny ny andron’ny faha 09 sy 13 janoary taona 2025 teo.

Ratantely

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici