Tsy navotsotra akory satria hoe nanome ny vola takalon’aina, fa niditra an-tsehatra ny zandary nanao ny fanadihadiana rehetra, nanara-dia ary nifandona tamin’ireo jiolahy mpaka an-keriny. Tany Sahamamy-Amparafaravola no hita ny toerana fanafenan’ireo olon-dratsy ny olona nalainy. Raikitra ny fifampitifirana teo amin’ny roa tonta ka lavo tao anatin’izany ny telo tamin’ireo jiolahy. Avotra kosa ilay ramatoa takalon’aina izay efa roa volana no nitazomana azy. Vehivavy roa izy ireo no nalaina an-keriny ka ny iray dia maty notifirin’ireo jiolahy tao anatin’ny fotoana nitazomana azy. Ilay faharoa kosa dia efa niady aman’aina isan’andro, saingy mba tonga ara-potoana ny mpitandro ny filaminana ka avotra soa aman-tsara teo am-pelatanan’ireo mpamono olona izy. Na izany aza anefa dia isan’ny maty novonoin’ity andian-jiolahy mpiray tambajotra ity ihany koa ny vady andefimandriny. Lasa renivohitry ny fakana an-keriny ankehitriny Alaotra. Mandeha be ny feo mahakasika ireo ao ambadik’izany izay efa namoahana didy fampisamborana mihitsy, saingy tsy mbola azo hatramin’izao. Olona akaikin’ny manam-pahefana izy ireo ary mahatsiaro ho tsimatimanota ka lasa nivadika ho jiolahy tanteraka. Mbola mitohy ny sahavao any an-toerana.
D.R