- Publicité -
mercredi, juillet 2, 2025
AccueilFaits-DiversKidnapping : Fa aiza ilay dosie nomen’ny frantsay ?

Kidnapping : Fa aiza ilay dosie nomen’ny frantsay ?

Misy akony mivantana ara-toekarena ny fisesin’ny fakàna an-keriny eto amin’ny nosy. Ankehitriny dia mitodika any amin’ny sampana iray natsangana ary iombonan’ny mpitandro ny filaminana (zandary sy pôlisy) ny mason’ny rehetra. Andrasana ny vokatr’io fanadihadiana iarahan’ny manam-pahaizana roa tonta eo amin’ny vondrona roa tonta ihany koa. Izany rehetra izany dia mbola arahin’ny fiaraha-miasa amin’ny mpandraharam-pifandraisana izay hanamora ny fitsirihana ny toerana niavian’ny antso nataon’ny mpaka an-keriny rehefa mangataka ny vola takalon’aina. Mipetraka izany ny lamina rehetra, raha jerena amin’io lafiny io. Saingy ny fanontaniana izay mipetraka, ary matetika miverimberina, dia ny hoe fa lasa aiza ilay antontan-taratasy izay nomen’ny fanjakana frantsay ny manam-pahefana malagasy ? Raha tsiahivina dia nomen’ny frantsay tamin’ny fomba ofisialy ny vokatry ny fanadihadiana nataon’ny manam-pahaizana manokana nalefan’ny fanjakany teto Madagasikara. Izany dia taorian’ny fisian’ny terataniny nisy naka an-keriny tao Toliara. Tsy izany ihany fa talohan’io dia nisesy ny kidnappingy ary olona mizaka ny zom-pirenena frantsay avokoa no niharan’izany. Nandraindraina tamin’izany fotoana, telo taona lasa izay, ny mba hahafantarana ny atidoha nikotrika izay hosamborin’ny mpitandro ny filaminana satria lisitra lavabe ary antontan-taratsy matevina no nomena ny fanjakana. Saingy hatreto dia tsy nisy vokany izany. Ireo mpanatontosa hatrany no voasambotra na maty. Ny havan’ny olona niharan’ny kidnapping koa matetika dia mandà ny miara-miasa amin’ny mpitandro ny filaminana noho ny tahotra sao misy mamono ny olony. Izany koa anefa dia toa manamora ny fialàna bala avy amin’ny mpanao fanadihadiana ary isan’ny averimberin’ireo foana ny hoe, tsy afaka ny niditra lalina satria tsy nisy fitoriana na koa ny fianakaviana mihitsy no nangataka ny tsy hanaovana fanadihadiana. Dia matetika mijanona eo ny raharaha ary manamora ny fiverimberenan’ny heloka bevava mifandraika amin’ny fakàna an-keriny.

D.R

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

1 COMMENTAIRE

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici