- Publicité -
jeudi, juin 19, 2025
AccueilFaits-DiversKidnapping indray : Nampiasa grenady ny jiolahy, karàna iray no lasany

Kidnapping indray : Nampiasa grenady ny jiolahy, karàna iray no lasany

Nirefotra ny “grenade offensive” iray nandritra ny fakana an-keriny izay notontosain’ireo olon-dratsy tetsy anelanelan’Ankorondrano sy Androhibe. Vao nivoaka ny trano fivavahana (mosquée) ilay karàna no nandrasan’ny efatra, ka hatramin’ny dimilahy tamin’ny basy sy grenady ary narahin’ireo. Efa akaiky ny trano fonenany izy, teo anoloan’ny vavahadiny raha ny marimarina kokoa, no nosakanana dia norahonana tamin’ireo fitaovam-piadiana. Tsy nisy na inona na inona azon’ilay karàna natao nanoloana ireo jiolahy mitam-basy. Nanaraka izay notenenin’ireo izy ary niditra tao amin’ny fiara mainty iray marika “mini-cooper”. Nahita ny zava-nitranga ireo mpiambina teo amin’ny manodidina ary raha vao tazan’ireo olon-dratsy nanangasanga, dia narefotr’ireto farany ilay grenady. Mazava hoazy, fa samy nitsoaka nanavotra ny ainy ireo “gardien” maro teny an-toerana. Nanomboka teo dia tsy fantatra intsony izay nitondran’ireo jiolahy an’ity teratany karàna ity. Hatramin’ny omaly dia tsy nisy intsony ny vaovao nipika. Matetika rehefa mitranga ny toa izao, miandry izay famotsoran’ny jiolahy azy fotsiny ny rehetra. Ny mpitandro ny filaminana, dia milaza fa tsy afaka miditra mivantana rehefa tsy misy ny fitoriana apetrak’ireo havan’ny olona nalaina an-keriny, eo anivon’izy ireo. Etsy ankilan’izay, matahotra ny ain’ny havany ny olona, dia lasa manaraka ny baikon’ny jiolahy. Dia izany rehetra izany anefa mainka koa mampahazo vahana itony karazana heloka bevava itony. Na izany na tsy izany, dia mipetraka ny fanontaniana ny amin’ny fomba ananan’ny jiolahy ireo fitaovam-piadiana : poleta PA, kalachnikov ary grenady. Tamin’ity indray mitoraka ity aza dia nampiasain’ireo olon-dratsy mihitsy ny grenady. Tsiahivina fa, vao tsy ela akory no nisy mpanendaka sarona nitondra grenady. Midika izany rehetra izany, fa miparitaka ny fitaovam-piadiana eto an-drenivohitra. Fitaovam-piadiana izay tsy misy afa-tsy ny mpitandro ny filaminana ihany no tokony hitazona azy, indrindra ny grenady…

D.R

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser