Mbola tsy votsotra hatramin’ny omaly nanoratanay iHoussen Avaraly, ilay zazalahy 12 taona, teratany karàna izay nalain’ny jiolahy an-keriny ny antoandron’ny talata teo, teo an-tampon-tanànan’i Toliara. Fantatra kosa anefa fa efa nisy ny fifandraisana teo amin’ny mpaka an-keriny sy ny fiankavian’ilay zaza. “Tafiakatra 200 tapitrisa ariary na iray miliara fmg ny vola tadiavin’ireo jiolahy. Mitohy anefa ny adivarotra eo amin’ny roa tonta, raha araka ny tatitra azonay” hoy ny loharanom-baovao eo anivon’ny mpitandro ny filaminana. Nahatalanjona ihany ny fahasahian’ireo olon-dratsy satria na ny laharana finday izay nampiasan’izy ireo aza dia tsy mba niafina akory. Loharanom-baovao akaiky ny mpitandro ny filaminana hatrany no nahafantarana fa finday mitondra ny laharana 03315XXX15 no nampiasain’ireo olon-dratsy niantsoana ny fianakavian’I Houssen Avaraly. Fantampantatra ihany koa nizotra nianatsimo ary nihazo ny lalam-pirenena ny dian’ireo mpaka an-keriny ireo. Saingy mbola sarotra ny maminavina izay toerana tena iafenany satria midadasika loatra iny faritra atsimo-andrefana iny. Samy nandray ny andraikitra mifanandrify azy avokoa na ny pôlisy na ny zandary ao an-toerana raha vao nitranga ity raharaha fakàna an-keriny ity. Nalaza tao an-drenivohitr’I Toliara ilay zava-nitranga satria tsy dia matetika no nisy an’izany tao an-toerana. Na tiana na tsy tiana dia tsy maintsy miompana amin’ny teknojia amin’izay ny mpanao fanadihadiana, amin’izao vaninandro ianantsika izao. Raha mba nisy izao ny fitaovana hahafahana mamantatra ny niavian’ny antso, dia inoana fa ny andron’iny ihany dia fantatra izay toerana nitobian’ireo olon-dratsy, niaraka tamin’ilay zaza nalainy an-keriny.
D.R/Eric R.