- Publicité SW45 -
vendredi, mars 29, 2024
AccueilFaits-DiversKidnapping karàna : Mbola tsy nisy serasera teo amin’ny roa tonta

Kidnapping karàna : Mbola tsy nisy serasera teo amin’ny roa tonta

Hatramin’ny omaly, raha araka ny vaovao nampitaina taminay, dia tsy mbola nisy serasera teo amin’ireo mpaka an-keriny sy ny havan’ilay karàna voakasika. Paika iray izay entin’ireo olon-dratsy mampiakatra ny vola takalon’aina ihany izany raha araka ny fanazavan’ny mpitandro ny filaminana nanontanianay. Raha ny fantatra dia rahalahin’ny lehiben’ny fikambanana karàna iray ngeza eto an-drenivohitra ilay nisy naka an-keriny. Isan’ny olana matetika ho an’ny mpitandro ny filaminana ny tsy fanatonan’ireo havan’ny voakasika azy ireo ka mametraka fitoriana. Ny antony dia matahotra ireo olona sao sanatria hovonoin’ny mpaka an-keriny ny havany. Izany anefa dia mainka koa manome vahana itony karazana heloka bevava itony…

D.R

- Publicité Google Ads -
Suivez nous
276,361FansJ'aime
4,243SuiveursSuivre
611AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser