- Publicité -
jeudi, juillet 3, 2025
AccueilFaits-DiversKidnapping Karàna : Olona 2 hafa voasambotra, fiarana « penitentiaire » no...

Kidnapping Karàna : Olona 2 hafa voasambotra, fiarana « penitentiaire » no nampiasaina

Nahitam-bokany ny fanadihadiana nataon’ny mpitandro filaminana mikasika ilay raharaha, fakàna an-keriny karàna, niseho herinandro lasa izay, tetsy Ambatobe. Araka ny tatitra nataon’izy ireo tokoa mantsy dia niampy 2 indray ireo olona voarohirohy amin’ity resaka ity, manampy ireo roalahy efa tratra ny ampitson’iny fangalàna an-keriny iny. Isan’ireo sarona tamin’izany ny ati-doha nikotrika an’ity fakàna an-keriny ity. Fantatra ihany koa fa misoratra amina mpiandry fonja  ilay fiara, Golf fotsy, nampisain’ireto olon-dratsy ireto nanaovana ny asa ratsiny iny andro iny. Sarona niaraka tamin’izany ihany koa ny basy Kalach miisa roa, revolver iray, izay voalaza fa ana-penitentiaire, miaraka amin’ny bala 88 isa sy tranom-bala. Tsy mijanona hatreo anefa ny fanadihadiana, araka ny voalaza hatrany. Jiolahy rain-dahiny, antsoina Voay, no mbola karohina hatramin’izao. Niaky ny helony ireto mpaka an-keriny ireto ary natolotra ny fampanoavana. Fantatra ihany koa fa nisy karàna iray tafiditra ao anatin’ny fanadihadiana. Raha hiverenena kely ny amin’iny, efa drafitra maty paika mihitsy no nomanin’ireo mpaka an-keriny, araka ny famerenana ny tranga nisy, nataon’ireo mpitandro filaminana. Niainga avy amin’ny Mosquée Akorondrano, nandalo tamin’ny fanakanana ny fiara tetsy Ambatobe, ny fanafenana ilay karàna tany Alasora, ary niafara tamin’ny fangalàna ny onitra teny Andohatapenaka, izay nahavoasambotra ny roalahy tamin’ireo mpaka an-keriny.

Mike L.

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser