Ny alahady faha-3 jolay teo no nosamborin’ny polisy avy ao amin’ny BC avy etsy Anosy teny Ambohidratrimo ny karana roalahy voatonona ho atidoha nikotrika ny fakana an-keriny karana hafa iray antsoina hoe Rafik Fidahoussen niseho teny Ivandry tamin’ny faha-21 jona tamin’ny 6 ora lataka fahefanay hariva. Tafiakatra telo izany ny olona tratra mikasika ity raharaha ity amin’izao fotoana izao. Ilay tratra volaohany moa antsoina hoe Tsifolahy na Ramaître dia voasambotra tamin’ny faha-30 jona teny Ambohidratrimo. Rehefa nandalo Fampanohavana omaly, izy ireo dia naiditra am-ponja eny Tsiafahy.
Ny loharanom-baovao no nahafantarana fa, tamin’ny andron’ny fakana an-keriny, dia fiara Peugeot 405 nisy laharana tsy fantatra sy moto matanjaka be no nentin’ireo jiolahy niisa dimy nirongo fitaovam-piadiana. Avy amin’izany no nanokafan’ny polisy ny fanadihadiana sy ny fanangonam-baovao. Ny faha- 30 jona, no nahafantaran’ny mpitandro filaminana fa any amina villa iray eny Soamanety Ambohidratrimo ny toerana itazonan’ireo mpaka ankeriny an’ilay Karana. Rehefa teny an-toerana ry zareo dia lehilahy iray no hita teny niambina ilay trano. Nosamborina avy hatrany izy io. Natao izay nanavotana ilay nalaina ankeriny ary niroso tamin’ny fisavana ny trano ireo polisy. Tamin’izany no nahitana basy kalaky iray miaraka amina « boîte à chargeur » misy bala 28 sy baoritra iray nisy sakafo nomena an’ilay olona notazonina ankeriny.
Araka ny fantatra, valo ireo jiolahy no nanatanteraka izao fakana an-keriny izao ka kalaky miisa roa sy pistolet automatique iray isan’olona avy ny fitaovana nampiasain’izy ireo ankoatra ireo fiara maromaro sy moto matanjaka. Fantatra ihany koa fa ireto jiolahy ireto no tompo marika tamin’ny fakana an-keriny ilay karana tompona tranom-barotra lehibe etsy Andravoahangy ny 19 avril 2016.
Voalaza fa, vola amina miliara maromaro no efa lasan’ireo jiolahy ireo ho takalon’ny famotsorana izay olona azony an-keriny. Tamin’ity farany ity dia efa voarain’ireo jiolahy ny ampahany voalohany 1 miliara mahery tamin’ny vola notakiany, ary teo am-piandrasana ny ampahany manaraka izy ireo no izao sarona izao.
nangonin’i r.s.