Na ny eo anivon’ny zandary na ny ao amin’ny pôlisy dia samy mahatsapa fa tsy afaka ny mihetsika firy manoloana ny fakàna an-keriny nisesisesy tato ho ato. Ny anton’izany dia ny tsy fahazoan’izy ireo vaovao loatra avy amin’ny fianakavian’ireo olona niharan’izany. Ny teo anivon’ny pôlisy dia nanazava fa sakanan’ireo olona mihitsy aza ny fanadihadiana ataon’izy ireo noho ny tahotra sao hovonoina ny olona nalaina an-keriny. Ankoatra izay dia tsy manome fanazavana mety hahafantarana ny mpanao ratsy na koa izay mety fifampiresahan’izy ireo an-telefaonina ireo fianakaviana. Vokatr’izany dia lasa mandeha an-jambany fotsiny ny fanadihadiana tsy maintsy sokafana rehefa misy ny tranga toy ireny. Hatramin’ny omaly izay niantsoanay mpitandro ny filaminana dia mbola tsy nisy votsotra ireo teratany indo-pakistanais mizaka ny zom-pirenena frantsay, nalain’ny olon-dratsy an-keriny tamin’ny herinandro lasa teo. Ny teo anivon’ny zandarimaria manokana dia nanapa-kevitry nanamafy ny fiarovana ireo toerana maro karàna eto an-drenivohitra. Miisa 150 izy ireo no naparitaka andro sy alina eny amin’ny kartie maromaro. Raha tsiahivina dia olona roa no nalain’ny jiolahy an-keriny ka ny iray tamin’izany ny zoma teo no nangalàna azy tetsy Anosibe. Mpivarotra piesy eo amin’ny manodidina ihany izy io. Ny iray voalohany kosa dia ny tompon’ny orinasa mpivarotra kojakojan-tokantrano etsy Tsaralalàna. Samy mbola tsy hita izy ireo hatramin’ny omaly. Any Toamasina koa dia mbola nisy pôlisy iray naratra mafy voan’ny bala roa rehefa nandeha nanao fanadihadiana mahakasika ny fakàna an-keriny ihany. Vokatr’izany dia lasa nanao bemidina any an-toerana ny pôlisy voaofana manokana amin’ny fisamborana jiolahy mitam-basy. Mbola andrasana ihany koa ny valin’izany fidinana an-tsehatra izany.
D.R