Hatramin’ny omaly izay nanoratana dia mbola tsy navotsotry ny olon-dratsy ilay « indopakistanais » Akass izay mpitantana orinasa misahana fanondranana entam-barotra. Efa hita ny fiara Toyota V8, hita ihany koa ny basy izay nampiasain’ny mpiambina azy saingy izy tenany no mbola tsy hita soritra hatreto izay nitazonana azy. Tsy mbola nisy ihany koa ny fitoriana napetraky ny fianakaviany teny anivon’ny mpitandro ny filaminana. Raha hiverenana kely, ny sabotsy tokony ho tamin’ny 11 atoandro, nivoaka tao anatin’ny fiara 404 bâché sy fiara Renault 18 ny fito lahy lahy izay nitam-basy. Kalachnikov enina no nampiasain’izy ireo. Avy hatrany dia nilefitra ny mpiambina manokana ilay karàna ary teo dia nisisika niditra ireo mpaka an-keriny. Nentin’izy ireo niala teo Ambohimanambola ny fiara V8 izay an’ilay karàna ihany ary nariana tany amin’ny faritry Sabotsy Namehana ny sabotsy tamin’ny dimy ora hariva. Raha ny feo nandeha omaly dia efa nanonona vola takalon’aina ireo mpaka an-keriny. Ny vadin’ilay nalaina an-keriny, etsy andaniny dia tsy nety nanatona ny mpitandro ny filaminana mihitsy, mazava hoazy noho ny tahotra sao dia vonoin’ireo olon-dratsy ny vadiny raha sanatria ka tsy manaraka ny baiko omeny. Avy aiza ireo kalachnikov ? Misy mpitandro ny filaminana indray izany ve ao anatin’ity raharaha ity ?
D.R