- Publicité SW45 -
mercredi, juin 26, 2024
- Publicité -
AccueilFaits-DiversKidnapping : Metisy karàna karohin'ny pôlisy

Kidnapping : Metisy karàna karohin’ny pôlisy

Hatreto, dia miompana amin’ny famaritan’ny olona izay efa nanaovana fanadihadiana aloha no iompanan’ny fikarohan’ny mpitandro ny filaminana. Ny kisary nentin’iretsy voalohany tamin’ny fanazavany ary koa ny famaritan’izay nahita no nivoahan’ny hoe lehilahy iray metisy karàna no ahiana ho tompon’antoka amin’ity raharaha kidnapping tetsy Andranomena ity. Izy io raha araka ny fanamarihana, no nividy ny fiara izay nariana tetsy amin’ny sampanan’Ambohitrimanjaka rehefa avy nitaterana ireo mpanao asa ratsy sy ilay zazalahy karàna izay vao nalain’izy ireo. Vokatr’izany dia ny olona izay nisoratra farany tamin’ny fiara no voasaringotra voalohany, saingy navotsotry ny BC ihany rehefa nazava ny porofo nentina ny amin’ny fisian’ny fifampivarotana fiara. Midika izany fa mila atao ara-dalàna tsara ny taratasy rehetra, farafaharatsiny ny fifanarahana fifampivarotana izay nohamarinin’ny firaisana. Momba ity raharaha fakàna an-keriny ity ihany dia mirarak’ompana ny fanamelohana avy amin’ny firaisa-monina frantsay sy ny karàna izay mizaka ny zom-pirenena frantsay. Ankoatra ny fikambanan’ny mpianatra eo anivon’ny sekoly frantsay sy ny ray aman-drenin’izy ireo, dia naneho ny heviny koa ny fikambanan’ny Frantsay eto Madagasikara ary mangataka ny hanafainganana ny fanadihadiana. Momba ny kidnapping dia tsy takona afenina intsony ny lesoky ny mpitandro ny filaminana malagasy amin’ny fanaovana fanadihadiana azy. Ny tsy fahampian’ny fandalinana fanadihadiana avy amin’ny teknolojia no isan’ny tena miteraka sakana. Lasa mora ho an’ny tambajotra mpanao kidnapping ny manao ny asa ratsiny, indrindra koa ny karàna dia tsy sahy mampandre ny mpitandro ny filaminana rehefa misy ny havan’izy ireo niharan’izany. 
D.R

- Publicité -
- Publicité -
- Publicité.-
Suivez nous
276,361FansJ'aime
4,243SuiveursSuivre
611AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici