Efa maromaro sahady ny olona hadihadiana ao amin’ny biraon’ny pôlisy ao Anosy. Misy karàna tsy latsaky ny telo amin’izy ireo, raha araka ny loharanom-baovao akaiky io vondron’ny mpitandro ny filaminana io. Re ihany koa fa nisy fiara hita tany akaikin’Ankadikely tany. Izy io no heverina fa nanatontosana ilay fakàna an-keriny. Hatreto dia fiara 4X4 mitondra ny marika Nissan no nanao ny asaratsy. Niakatra avo dia avo ny resaka fakàna an-keriny izay nisesisesy tato ho ato. Loharanom-baovao akaiky ny fanjakana indray no nahafantarana fa noresahina tao amin’ny filankevitry ny governemanta izany. Mandeha rahateo ny feo ankehitriny, fa misy fikasàna hanakorontana ny firenena indray ato ho ato ary mety ho tafiditra ao anatin’izany ireny fanaovana asaratsy maka olona an-keriny ireny. Teratany frantsay avokoa mantsy ny ankamaroan’ny karàna ary mazava hoazy fa mety hisy akony eo amin’ny fifandraisan’ny firenena roa tonta ny herisetra mihatra amin’ny olony, indrindra koa matetika loatra toa izao. Ny masoivohon’io firenena io rahateo efa nampanokatra fanadihadiana ary nanome ny valin’izany amin’ny tompon’andraikitra ambony eto amin’ny firenena. Endrika iray mety heverina ho mitombina ihany koa ny hoe entina hanakorontanana, ny volan’ny kidnapping. Amin’izay mantsy sady tsy miala vola ireo mikasa ny hisian’ny savorovoro, moa ny kidnapping rahateo dia efa mampisavorovoro hoazy. Ny vola azo avy aminy avy eo mety hoe azo omena ny olon-dratsy indray ary koa hanakaramana azy hanely korontana. Omaly dia fantatra fa nisy ny fanamafisana toerana maro, indrindra fa ireo toerana hizoran’ny fanadinana ; izay voalaza fa misy mikasa handrava. Saingy ampy ve izany sa vahaolana mandalo fotsiny ? Efa nohamafisina ny fanaraha-maso ireo kartie betsaka karàna, nisy tamin’ireo koa no nahazo fiambenana manokana. Izao anefa dia mbola vitan’ireo jiolahy hatrany ny manatontosa ny fakàna an-keriny. Dikan’izany, any amin’ny fanangonam-baovao no mila mafy ny mpitandro ny filaminana…
D.R