- Publicité -
jeudi, juin 12, 2025
AccueilFaits-DiversKidnapping : Misy mpitandro ny filaminana voatonona

Kidnapping : Misy mpitandro ny filaminana voatonona

Mitatra toa ny sima misioka ankehitriny ny momba ilay fakàna an-keriny ilay teratany maorisiana, izay manana andraikitra ambony eo anivon’ny mpambongady entana vahiny etsy Tsaralalàna. Nisokatra ihany ny fanadihadiana na dia tsy nisy aza ny fitarainana nipetraka, araka ny fomba fanao. Nanomboka teo, raha araka ny loharanom-baovao akaiky ny rahaha, no nivoahan’ny anaran’ny mpitandro ny filaminana iray izay ahiana ho isan’ny mpanatontosa ilay fakàna an-keriny. Tsy mbola hita hatreto ilay maorisiana ary tsy mbola fantatra ihany koa ny vola takian’ny olon-dratsy naka azy. Nisy feo nandeha koa momba ity raharaha ity ihany fa ahiana ho samy izy ireo ihany no mifampaka an-keriny. Misy tsy fifankahazoana mantsy eo amin’ny samy zareo ary ahiana ho tonga hatrany amin’ny fakàna an-keriny izany. Raha ny re, manodidina ity tranga ity, dia nisy fandrahonana teo amin’ity maorisina ity ary heverina fa mifandraika amin’izany ny rehetra izay nitranga taty aoriana. Manao izay ho afany ny mpanao fanadihadiana mandavaka mahakasika an’izany rehetra izany. Andrasana ny fivoaran’ny raharaha…

D.R

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser