- Publicité SW45 -
samedi, juillet 6, 2024
- Publicité -
AccueilFaits-DiversKidnapping : Miverina mihorohoro indray ny karàna

Kidnapping : Miverina mihorohoro indray ny karàna

Teny amin’ny lalam-baovao Rocade no nitranga ilay fakana an-keriny. Toa efa voaomana ny paik’ady satria tao anatin’ny fotoana fohy dia vita ny asaratsin’ireo jiolahy nandeha fiara sy moto. Nisy nahita ny zava-nitranga ary teo no nanomboka fantatry ny mpitandro ny filaminana ny mahakasika ity fakana an-keriny ity. Teo koa dia nanomboka ny fanarahan-dia rehetra. Nanomboka nihatery ny làlana ho an’ireo jiolahy rehefa nandeha ny fanangonam-baovao rehetra amin’izay mety hahafantarana azy ireo. Ny harivan’iny dia efa hita ny iray tamin’ireo karàna izay narian’izy ireo teny  amin’ny manodidina an’Andranotapahina. Ny alin’iny indray dia hita ny fiara nentin’ireo karàna, io ihany koa no mbola nitondran’ireo jiolahy azy ireo taorian’ny fakana an-keriny. Raha araka ny loharanom-baovao akaiky ny mpitandro ny filaminana dia nisy antso fitakiam-bola mitentina miliara maromaro nataon’ireo olon-dratsy. Nandeha ny fifampiresahana ary rehefa hitan’ireo farany fa nihatery hatrany ny làlana dia nidina hatrany amin’ny 12 tapitrisa ariary izy ireo. Vita ny fandoavam-bola tsy hita maso dia votsotra ny karàna faharoa.  Nahoraka teo amin’ny fikambanam-ben’ny karàna ny zava-niseho ary lasa mampihoron-koditra azy ireo raha mba efa nilamindamina izany nandritra ny fotoana ela. Samy nandray izay fepetra mba mety hanamafisana ny fiarovan-tenany sy ny vady aman-janany ny ankamaroan’izy ireo taorian’ity tranga ity.

D.R

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
387,795FansJ'aime
7,021SuiveursSuivre
1,030AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici