Feno 10 andro izao no nakan’ireo jiolahy an-keriny an’i Moustapha Azir tao anatin’ny trano fivarotany ao Mangarivotra atsimo antsoina hoe Tri Angle. Hatreto dia tsy hita na maty na velona ity teratany karana ity, na efa niezaka niantso ny fianakaviany aza ireo jiolahy mpaka an-keriny azy mitaky vola 1,4 miliara ariary, izay mbola vonona hiady varotra amin’ny tambin’ny ainy mety ho zakan’ireo fianakaviany.
Efa manao ny ezaka rehetra mety hahitana ny marina ny mpitandro ny filaminana, indrindra fa ny polisy izay nandray an-tanana ny raharaha. Ny olana dia tsy misy firy ny fiaraha-miasa amin’ny fianakavian’i Moustapha Azir amin’izao raharaha fakana an-keriny azy izao, hany ka sarotra ho an’ny polisy ny hahazoana vokatra haingana. Ho an’ny minisitry ny Filaminam-bahoaka, raha sendra nandalo tao Toamasina, dia nilaza mivantana ho an’ny fianakavian’i Moustapha Azir, fa raha eo ny fiaraha-miasa matotra eo amin’ny roa tonta dia manome toky ny polisim-pirenena fa 95% amin’ny hetsika ataony dia misy fahombiazana avokoa. Araka ny angom-baovao avy amin’ny mpitandro ny filaminana misahana ny raharaha, dia misy olombelon’ny tafika malagasy ao anatin’ity raharaha ity, ka izay no tena antony mampatahotra ny fianakavian’i Moustapha Azir amin’ny ain’ny havany sy ny valifaty mety hihatra amin’izy ireo. Lasa manamarina ny nambaran’ny minisitry ny Filaminam-bahoaka izany, izay nilazany fa tambajotra iray ary eo ambany baikon’ny manamboninahitra ara-tafika sy mpitandro filaminana, ireo mpaka an-keriny sy mpanao fanafihana mitam-piadiana manerana ny nosy, ka lasa mamboly tsy filaminana eo anivon’ny fiaraha-monina, indrindra ireo mpandraharaha malagasy sy vahiny.
Tsy mbola misy aloha ny fandoavana ny vola notakian’ireto jiolahy mpaka an-keriny nataon’ny fianakaviny, izay no mbola mahasarotra ny raharaha sy tsy mbola nahavotsotra an’ity teratany karàna nisy naka an-keriny ity.
Malala Didier