- Publicité -
lundi, juillet 7, 2025
AccueilFaits-DiversKidnapping : Mpihavana avokoa ireo nanatontosa

Kidnapping : Mpihavana avokoa ireo nanatontosa

Mivoaka tsikelikely ny marina mahakasika ny fakàna an-keriny ireo karàna sasany eto amintsika. Lehilahy roa izay nandray anjara mivantana tamin’ny fakana an-keriny ny teratany karana iray antsoina hoe Navaze Veldjee, teo Soavimbahoaka, ny 13 desambra 2019 no voasambotry ny polisy misahana ny ady heloka bevava (BC) ny 14 janoary 2020. Rehefa nandeha ny fanadihadiana dia nanomboka hita ny toerana niafenan’ireo jiolahy. Nanampy izany koa ny fanampian’ny olon-tsotra izay nanome vaovao momba ny fisian’ny lehilahy roa any Bevalala izay isan’ny tompon’antoka tamin’ny fakàna an-keriny. Rehefa natao ny fisamborana ka nosokafana ny fanadihadiana dia fantatra fa mpiray tendro amin’ny olon-dratsy izay fantatra amin’ny solon’anarana hoe Rasamy boxeur izy ireo. Io olona io dia efa maty voatifitry ny mpitandro ny filaminana. Ireo voasambotra indray dia voaporofon’ny BC fa tompon’ny fiara 4X4 Rexton miloko fotsy ary koa nitazona ny fitaovam-piadiana izay nampiasaina tamin’ireo fakàna an-keriny. Tsy vitan’izay fa mbola tratra teny aminy koa ny laharan’ny finday izay nampiasaina nandritra ny fitakiam-bola tamin’ilay fianakaviana karàna. « Rehefa natao ny vela-pandrika rehetra dia tra-tehaka teny Ampitatafika ny iray. Avy amin’ny fanamarihana tamin’io olona io no nahazoana ilay jiolahy faharoa » raha araka ny fanazavan’ny polisy misahana ny fanadihadiana. Rehafa nandeha ny famotorana dia niaiky fa nandray ny lelavola 60 tapitrisa ariary tamin’ny karàna ireo jiolahy, vola izay takalon’aina. Mpihavana avokoa ireo olona voasambotra. Ny renin’ny iray amin’izy ireo koa aza dia efa miandry fitsaràna am-ponja ankehitriny rehefa voarohirohy tamin’ny kidnapping izay nanjo an’i Sabir Molou sy Navaze Veldjee, io farany izay indroa no efa niharan’ny fakàna an-keriny. Raha araka ny vaovao nampitaina dia nidoboka am-ponja vonjimaika eny Antanimora ireo roa lahy nosamborina.

D.R

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici