Mpamatsy « carte à puce » ny telo ary ny roalahy dia mpahandro ny sakafon’ny olona izay notazomina, izany hoe i Navaze Veldjee, ilay karàna izay nisy naka an-keriny Soavimbahoaka tamin’ny 13 desambra 2018. Niakatra fampanoavana teo anivon’ny Pole Anti-Corruption nanomboka ny asabotsy teo ireo olona dimy. Nivoaka omaly ny didy famonjàna voalohany izay mahakasika ireo telo vavy sy lehilahy iray izay voatonona tetsy ambony ny asany sy ny anjara andraikitry ny tsirairay avy tao anatin’ny fakàna an-keriny. Ny lehilahy iray farany dia mitohy anio ny fihainon’ny mpitsara azy. Izy io dia voasambotra niaraka tamin’i Ragodogodona, ilay jiolahy izay maty voatifitry ny zandary tany amin’ny làlana ho any Manjakandriana. Nentina tany an-toerana izy io no saika mbola hitsoaka ihany raha araka ny fanazavan’ny zandary. Nampiasana hery ary maty voatifitra ny 10 janoary lasa teo. Ny tranga toa izao dia manaporofo fa miasa anaty tambajotra ny mpanao kidnapping. Samy manana ny anjara asany ireo kanefa kosa matetika dia tsy tena tonga any amin’ny atidoha nikotrika sy ny mpaniraka ny fisamborana. Ny antony dia satria na ireo mpanatontosa aza indraindray tsy mahafantatra akory izay tena ao ambadiky ny fakàna an-keriny indraindray. Amin’ny lafiny lalàna indray dia isan’ny mba misongadina ny fisian’ny didy hitsivolana izay hahafahana mangena ny fanànana azo tamin’ny ratsy. Teo aloha mantsy dia tsy mahataitra ny mpanao kidnapping loatra intsony ny figadràna satria efa nivadika ho trano sy fiara ary tany ny volabe izay azon’izy ireo. Dia toa ny miala sasatra fotsiny sisa ny fandraisan’ireo olon-dratsy ny famonjàna azy. Ny taona 2018 no isan’ny tena betsaka ny fakàna an-keriny izay nitranga. Tsy teto an-drenivohitra ihany aza no niseho izany fa tonga tanteraka tany amin’ny tontolo ambanivohitra. Ho an’ny eto an-drenivohitra manokana dia efa sarona ny maro na dia somary elaela taty aoriana aza. Mitohitohy ny fitsaràna azy ireo etsy amin’ny efitrano fitsaràna an’ny PAC etsy 67ha ary betsaka koa ny famonjàna.
D.R