Ny 30 desambra teo ny didy fampisamborana azy no nivoaka. Rehefa nisy ny fanovana ny ambaratongam-pitsarana manao ny fanadihadiana ny raharaha dia tsy tanteraka izany raha tsy ny 4 febroary lasa teo. Fantatra kosa izao fa naiditra am-ponja vonjimaika ao Ambalatavoahangy i Dimitri Andriamalaza, izay voalaza ho mpiray tsikombakomba tamin’ireo fikambanan-jiolahy, izay nanao fakàna an-keriny tao Toamasina tamin’ny novambra 2015. Efa fanindroany ity lehilahy ity no niakatra teny amin’ny fampanoavana, saingy tamin’izany fotoana izy dia nahazo fahafahana vonjimaika izy. Rehefa niova tànana ny dosie dia io izy namoahana didy fampisamborana io ary naiditra am-ponja ao Ambalatavoahangy. Raha ny fantatra dia hafindra atsy ho atsy aty an-drenivohitra ny tenany, toy izay natao tamin’ireo olona marobe voarohirohy tamin’ny “kidnapping” ka nafindra fonja. Isan’ny hampiarahina aminy, raha araka ny loharanom-baovao akaiky ny mpitandro ny filaminana hatrany, ilay miaramila mitondra ny grady sergent, izay voarohirohy tamin’ny fanakanan-dàlana tamin’ny RN5 ary mbola ahiana ihany koa ho misy ifandraisany tamin’ny fakàna an-keriny. Tsy mitsaha-mitombo ny isan’ny olona nosamborina sy naiditra am-ponja amin’ity raharaha ity. Raha totaliana tsotsotra dia efa mananika ny 50 izany amin’izao fotoana izao. Dia heverin’ny mpanao fanadihadiana ve izany fa olona 50 no indray nikotrika fakàna an-keriny iray? Toa lasa fanenjehana isa fotsiny mantsy amin’izao fotoana no atao hoe vokatra, kanefa ny tena andrasan’ny olona dia ny hoe iza no tena atidoha nikotrika ary inona no tena anton’ilay fakàna an-keriny. Resa-bola fotsiny ihany ve sa kosa nisy lonilony izay nitarika fankahalàna? Izany no isan’ny valim-panontaniana andrandraina mafy ankehitriny…
D.R